Miverina indray ankehitriny ny fivorian’ireo parlemanta ary isan’ireo parlemanta miahy mivantany ny kaominina, hoy ny ben’ny tanànan’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina, ny loholona.
Ny andrandraina ao anatin’izao fivoriana izao ny hamoahana izay volavolan-dalana misahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka ahitan’ny ben’ny tanana sy mpanolontsaina tombontsoa na arofanina ao anatiny. Efa resaka nalefanay tao, ohatra, ny hoe ahoana ny mikasika ny fiahiana ara-tsosialy ireo olom-boafidy tamin’izany, hoy izy. Nanana ny asanay taloha izahay fa tsy afaka nentina intsony ilay CNaPS tamin’izany amin’ny maha olom-boafidy dia hoe raha tsy mivoaka lalana ilay izy tsy azo ampiharina. Misy fotoana tsy hainay intsony izany ankehitriny izay tokony ho arahana amin’ireo manome baiko na toromarika ny kaominina ka antony iandrandranay ny hivoahan’io volavolan-dalàna io, hoy hatrany ny fanazavany. Ny fahafantaranay azy dia mahaleotena ny kaominina. Fanontaniana efa napetrako tamin'ny parlemanta ny hoe hatramin’ny naha teo anareo dia mba omeo anay ny lalàna na volavolan-dalàna natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana fa raha tsy ho tsininy dia mbola tsy nahita aho hatreto, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity. Miandrandra volavolan-dalàna mahasoa azy amin’izay, araka izany, ny kaominina ao anatin’izao fivorian’ny antenimiera izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.