Rava maina ny fivorian’ny Filankevitra Monisipaly eo anivon’ny Kaominina Antananarivo omaly.
Notondroin’ireo mpanolontsaina maro an’isa miisa 28 nahitana ny TIM, Komba, ary I Clémence Raharinirina IRK ho tsy ara-dalàna ny fivoriana tsy ara-potoana, nikasan’ny Birao sy ny mpanatanteraka hatao hoenti-mandany ny tetibola nasiam-panintsiana. Ny lalàna 2014-020 ao amin’ny andininy faha-83 moa no maneho fa indray mandeha isam-bolana ihany ny fivoriana tsy ara-potoana, ary tsy afaka mivory mihoatra ny telo andro ny mpanolontsain’ny tanàna. Nambaran’izy ireo anefa, fa efa nisy ny fivoriana ny 2-3-4 jona, dia izao indray mandeha ny fiantsoana izay voalaza fa noho ny hamehana. “Ny Filohan’ny Filankevitra (PCM) anay dia mitaky foana hoe ambany lalàna, ka anjaranay indray izao no miteny hoe hajao ny lalàna, hoy ny mpanolontsaina TIM. Fivoriana tanterahina iray andro no saika hatao omaly. “Firy andro ary izahay mandinika ny tetibola lasitra (budjet primitif) sahirana. Tsy maintsy natao ny fivoahana mba tsy hisian’ny faharesena amin’ny latsa-bato miafina. Ny lalàna dia mazava hoe tsangan-tànana, saingy matetika terena ho latsa-bato miafina foana, ary mikimaky. Nitondra ny raharaha avy hatrany eny amin’ny fitsarana ireo mpanolontsaina ireto. Tsy tratra ny “quorum” na ny isan’ny mpanolontsaina ilaina, kanefa ny lalàna dia afaka miantso fivoriana manara ary izay tsy tonga tsy tonga, ka io no antony nametrahana fitoriana any amin’ny fitsarana mahefa”, hoy Rtoa Clémence Raharinirina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.