Politique

Fivoriana tsy ara-potoana CUA Tsy mbola voaresaka ny fandrodanana tsena


  • Zoma 08 Mey 2020

Antony nampanantsoina vonjimaika ireo mpanolotsainan` ny tanàna eo anivon` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia mahakasika ny adihevitra momba ny fandrondanana tsena eto an-drenivohitra izay anisan` nisongadina

 

 

 

tamin`ny fanombohan` ny fivoriana tsy ara-potoana ny alarobia lasa teo. Niteraka resabe izany satria ireo mpanolotsaina CUA lany tamin` ny alalan`ny antoko TIM moa dia nisafidy tsy handray anjara amin`izay lahadinika izay ary nitsipka izay fanapahan-kevitra. Omaly anefa dia nifantoka tamin`ny fanangana fikambanana amin`ny sehatra fiahina ara-tsosialy ny dinika. Adihevitra ihany koa ny tambin-karama mitentina 500 00 ariary izay voalaza fa tokony ho an` ny mpanolotsaina tsirairay. Tsy ara-dalana izany hoy ny filohan`ny mpanolotsaina nefa tonga ny tetibolan` ny kaominna dia voasoratra tao ny lelavola. Mbola tsy nisy hevitra tapaka nandritra izay roa andro anantanterahina ny fivoriana tsy ara-potoana ity. Andrasana anio ny fanapahan-kevitra vaovao lany aroson` ny fiadiadin`ny tanàna.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT