Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-75 no mamaritra fa mivory ara-potoana in-droa isan-taona mandritra ny 60 andro avy ny ny antenimieram-pirenena. Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny voalohany,
ary ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny faharoa. Ny 5 mey izao no tokony hanomboka ny fivoriana etsy Tsimbazaza saingy mbola baraingo na ho raikitra na tsia noho ny vanim-potoana manokana sy ny hamehana. Mivonona ihany izahay ny amin’ny hisokafan’izany fivoriana ara-potoana izay. Mbola fandinihana be ny amin’ny 2 mey satria ny 5 mey ny fivoriana, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Amin’io 2 mey rahateo ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena, ka miankina amin’izay ny an’ny antenimieram-pirenena. Raha mitohy ny fihibohana, ka tsy afaka mivory, dia efa nomen’ny lalàmpanorenana hanao lalàna amin’ny alalan’ny didy hitsivolana ny Filoham-pirenena, indrindra mahakasika ny fanapahan-kevitra ara-tsosialy, hoy io Filohana andrim-panjakana io. Tsy ilaina akory aza ny fampandaniana izany amin’ireo parlemanta roa. Raha zavatra mavesatra be tsy zakan’ny didy hitsivolana, dia hojerena eo ny fanapahan-kevitra manokana sy fivoriana manokana na dinika mahakasika ny volavolan-dalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.