Politique

Fivoahana amin’ny krizy “Roa ihany no lalana na ady na fifidianana”


  • Sabotsy 17 Novambra 2012

Nanao ny filankevitra nasionaliny ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Roa andro, ny 15 sy 16 novambra 2012, no nanatanterahana izany teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko eny Mamory Ivato, nandraisan'ireo filohan'ny Maitso avy amin’ny Faritra 22 anjara.

 Rafitra mpana-pakevitra faharoa aorian’ny kongresy nasionaly ny filankevitra nasionaly, hoy Rtoa Rahabeharisoa Saraha Georget filoha nasionalin’ny Maitso. Andiany faharoa ity filankevitra nasionaly natao ity. Tapaky ny mpizaika nandritra izany fa dia hatao amin’ny 18 janoary 2013 ny kongresy nasionaly voalohan’ny Maitso tao anatin’izay telo taona nijoroany izay, hanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ary koa fanamafisana ny fotokevitra sy ny antom-pijoroan’ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Nankatoavina nandritra ity filankevitra nasionaly ity koa ny filatsahan-kofidian’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rtoa Rabeharisoa Saraha Georget amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.

Mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra ny fivoahana amin’ny krizy, dia efa tanga eo amin’ny fetra farany isika izao, hoy ny Maitso, ka roa ihany no lalana na ady na fifidianana. Nisafidy ny fifidianana izahay Maitso, hoy Rtoa Saraha Georget ary dia hanome tanana ny CENIT hanentana ny olona hisoratra anarana handrafetana ny lisi-pidianana, ary koa vonona hanabe ny olom-pirenena.  Etsy ankilany anefa dia nanamarika ny filoha nasionalin’ny Maitso fa mba hiantohana ny faleovantena, ny tsy fitanilana, ary mba hialana amin’ny ahiahy, dia tokony hiala tsy ho mpikambana amin’ny filankevi-pitantanan’ny Madarail ary koa hiala tsy ho mpanolontsain’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola ny filohan’ny CENIT, Rtoa Atallah Béatrice. Mikasika ny fanatanterahana ny fifidianana izay ihany dia nanamafy ny Maitso fa ilaina ny hisian’ny fifanarahana politika hamaritana ny fitsipi-dalao mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.

Ankoatra izay dia maneho ny fahagagany amin’ny fahanginan’ny Bianco ny Maitso, ary manaitra ity farany manoloana ny firongatry ny fanondranana an-tsokosoko volamena, boaderôzy ary koa omby miala eto Madagasikara, tsy arakaraka ny filazana fa voarara ary nofoanana ny fanondranana ireo harem-pirenena ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT