Politique

Fitsinjaram-pahefana Vonona hanao izany marina ve ny fitondrana ?


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Raha ny fahitan` ny olona ny tatitra nataon` ny Filoha Rajoelina momba ny 100 andro nitondrany dia miresaka ny hoavy fa tsy mbola miresaka ny lasa izay mampiseho fa mbola tsy afa-po amin`ny zava efa vitany tao anatin` izay 100 andro izay.

 

 

“Marina tokoa izany fa nisy fetra nahafahan` ny fitondram-panjakana miasa amin`ny resaka fanatsarana ny olana amin`ny andavanandro” hoy i Lanto Eric Randrianarimalala izay mpandinika ara-piarahamonina sady mpikaroka ara-toekarena. Nisongadina tamin`ny lahatenin` ny Filoha Rajoelina dia ny Antenimierandoholona. Ny fomba namelabelaran` ny Filoha an` ilay izy dia mandany volam-panjakana nefa dia tsy dia ilaina. Raha dinihana izany, hoy izy, dia toa marina ihany. Raha mijery ny asan` ny Antenimierandoholona, raha misy tolon-dalàna dinihana dia tsy misy zavatra miova. Raha tena manao ny asany kosa ny Antenimierandholona dia tena ilaina ity andrim-panjakana ity. Ny olana mantsy dia ny eny amin`ny Antenimieram-pirenena, ny maro an` isa dia “à geometrie variable”, izany hoe rehefa misy malety dia miova ny maro an`isa. Ny “senat” ihany koa dia mety ho izay ihany fa kosa mety hifandanja izany satria ny olona ao amin`ny senat dia tsy voafidy avokoa fa olona notendrena amin`ny fahaizany manokana: mpahay toekarena, sosilay… Ireny olona ireny no afaka manamaivana ny tsindry politika avy amin`ny depiote izay mpanao politika avokoa satria androany sakaizan` ny mpandresy dia rahampitso sakaizan` ny mpandresy hafa. Araka izany, ilaina ny Antenimierandoholona ary afaka hahena ihany koa ny isany. Raha resaka fitsinjaram-pahefana dia anisan` ny mpitondra tenin`ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona. Raha te hanao izany dia tsy resaka “senat”, lehiben` ny faritra havadika governora no olana fa na amin`izao lalàna misy izao dia efa afaka mametraka izany, hoy Lanto Eric Randrianarimalala, ary azo atao ny “developpement local” any amin`ny faritra. Mipetraka ny fanontaniana, hoy izy, tena vonona hanao ny fitsinjaram-pehefana ve ny Fitondrana sa mitady antony amin`ny tsy nahazoan-dalana hanao fitsapan-kevi-bahoaka?

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT