Politique

Fitsinjaram-pahefana tsy tafapetraka Nitondra fanakianana goavana ny SeFaFi


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Hatramin’ny nampiasana ny fitsinjaram-pahefana amin’ny endriny ankehitriny dia ny kaominina irery no hany tena vondrombahoakam-paritra mba tafapetraka, hoy ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fianam-pirenena (SeFaFi).

 

 

Efa tamin’ny 2004 no nandramana najoro ny faritra  fa hatramin’ny androany dia mbola ilay rafitra tetezamita nolazaina fa haharitra roa taona tany am-boalohany ihany no mbola ampiharina. Ary raha marina ny feo mandeha, mikasika ny fanendrena ny governora hitantana ny faritra, dia rafitra tsy mifanaraka amin’ny hevitra fonosin’ny Lalàmpanorenana no antitranterin’izany. Ny hevitry ny Lalàmpanorenana mantsy dia ny hahatonga ny faritra ho ny ambaratonga faharoa amin’ny vondrombahoakam-paritra. Tamin’ny 2014, ny fanamafisana ny didy aman-dalàna momba ny fitsinjaram-pahefana dia tokony ho nanome lanja ny fanatsarana kokoa ny fiasan’ny vondrom-bahoaka miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny filankevitry ny distrika sy ny sampan-draharaha teknika efa naparitaka, araka ny voalazan’ny lalàna 2014-21 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny fisoloana tena ny Fanjakana. Raha tsy misy ny fanapariahana marina ny fahefana sy ny toekarena dia tsy hisy fampandrosoana eto Madagasikara. Notsindrian’ny SeFaFi fa ny tena maika indrindra dia ny fametrahana azy amin’ny lalambỳ tsara ka ahafahany mirimorimo ohatra ny TGV...

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT