Firenena tsy afa-miala amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy i Madagasikara, raha ny fandravonana ny famelabelaran-kevitra narahana adihevitra notontosain’ny rafitra alemanina FES tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.
Io ihany, raha ny fanazavana, no vahaolana ahafahana mametraka faritra matanjaka hahatongavana any amin’ny fisandratan’i Madagasikara, araka ny vinan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy vahaolana ny fanatanterahana tetikasa eo no ho eo kanefa efa fantatra fa tsy hitondra mankaiza ary tsy hahatonga ny fitsinjaram-pahefana ho fanoitry ny fampandrosoana akory. Ny fitantanana ny vola sy tetibolam-panjakana ao anatin’ny mangarahara sy ara-demokratika ihany, hoy ny fanazavana, no tokony hatao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.