Miresaka fitsinjaram-pahefana ny fitondrana ankehitriny. Tsikaritra aloha fa tsy mahafehy izany ny fanjakana.
Ny and. 152 anatin`ny lalàmpanorenana dia mazava tsara hoe ny fokontany ao anatin`ny kaominina no kitro farany ao anatin`ny fampandrosoana nefa tsy misy miraharaha izany, hatramin’izao. Rehefa namoaka lalàna ny fanjakana, tsy kitro farany ho an`ny fampandrosoana ny fokontany fa natao “subdivision administrative de base” izay mifanohitra tanteraka amin`ny voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana. Lasa rafitra iray ao anatin` ny distrika ny fokontany fa tsy rafitra iray ao anatin`ny kaominina ka izany no tsy mampandeha ny firenena. Ny sefo fokontany sy ny mpanampy azy (Vice president) no tendren`ny distrika fa ny sekreteran`ny fokontany sy ny mpitam-bola no avy amin`ny kaominina. Araka izany, ireo voatendry ireo dia tsy misy tamberin’andraikitra any amin`ny vahoaka fa any amin`izay nanendry azy ka tsy mampandeha ny fitsinjaram-pahefana. Raha zohina, tsy nanana fijery lavitra ve ny filoha raha nanao ny lalàmpanorenana ny taona 2010 ? Raha nandrafitra ny IEM ve dia tsy namaky lalàmpanorenana ? Ny IEM no drafitra voalohany hifanaraka amin'io. Izao milaza izy fa voatery miandry indray. Tsy tao anaty kajikajin`ny fitondrana Rajoelina raha nanao ilay Lalàmpanorenana 2010 izy ireo ilay hoe mandany vola ny Sena ary governoram-paritra fa tsy lehiben` ny faritra. Sahala amin`ilay hoe tsy anaty kajy ilay Mapar nanolotra an'i Hery Rajaonarimampianina ho kandida filoham-pirenena tamin`ny taona 2014, dia avy eo rehefa lasa sahirana sy farany maneran-tany i Madagasikara ny taona 2018 dia tsy tompon'antoka fa ny filoha Rajaonarimampianina irery no tompon'antoka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.