“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.
Kobaka am-bava fotsiny no filazana fa tafapetraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto Madagasikara, indrindra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana raha ny zava-misy ankehitriny. Mialoha ny fandaniana ny tetibolam-panajakana, hoy izy, dia gaga fa nisoratra teo anivon`ny Antenimieram-pirenena fa ny “arrierè” tany amin` ny fokontany dia tsy misy intsony any amin`ny minisiteran`ny vola fa lasa any amin`ny Faritra. Nohamafisiny fa betsaka amin`ireo solombavambahoaka no mametraka ahiahy sahady ankehitriny amin`ny fitanilana entin’ny fanjakana, satria raha ny hita, eny ifotony fotsiny no resahana dia misy ny tsindry ho an’ireo ben’ny tanàna, hany ka mety ho tonga amin`ny fandaniana ny lalàna eny anivon’ny antenimieram-pirenena indray izany ka hanjaka ny kolikoly. Raha tsy mametraka rafitra mazava ny fanjakana, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato dia azo antoka fa hanjaka ny vola sy ny fitiavan-tena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.