Politique

Fitsinjaram-pahefana Fotoana izao hanampiharana azy...


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Noho ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana teto amin` ny firenena dia afaka mihetsika ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Nampandraisina andraikitra ny fiarahamonina amin`ny alalan` ny Loharano.

 

 

 

 

 Na izany aza anefa dia tokony havoitra ireo hetsika sy zava-bita efa mandaitra eny anivon’ny fokontany toy ny Rafitra fikaonan-doha anivon’ny kaominina (SLC) ary ny komitin’ny Fahasalamana iftony isan’ambaratongany (COSAN, COGE, CCDS). Antenaina mba tsy kiantranoantrano ny fomba fisafidianana ny mpikatroka sy ny fametrahana ny fomba fiasa ao anatin’ny Loharano. Ny fandraisan` ny fiarahamonina eny ifotony andraikitra sy hanomezana an’ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra samihafa eny an-toerana fahefana manapaka hevitra sy fitaovana ary enti-manana hahafahan’izy ireo mihetsika ary maneho ny maha-mpitarika ny faritra iadidiany sy maha-tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny famaliana ny filan’ny mponina. Mazava ho azy dia mijanona amin` ny andraikiny manara-maso ireo andrim-panjakana toy ny Prefektiora, Lehiben’ny Distrika, Solombavambahoaja, sns.) dia tokony hijanona amin’ny andraikiny manara-maso.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT