Mifoha ny Zanak’i Dada ao Ambositra raha somary mitampifipify teo alohaloha teo.
Misy ny fanentanana ireo mpiaradia amin’ny ankolafy Ravalomanana ao an-toerana amin’izao fotoana izao ary dia manaraka ny vaovao miainga avy ao amin’ny Magro Behoririka isaky ny sabotsy izy ireo. Ny CST Lova Rakotonirina no mampiditra mivantana ireo zava-misy ao amin’ny Magro sy ny kabarin’ny Filoha Ravalomanana ho an’ny vahoaka ao Ambositra hatramin’izay. Mitombo isa ireo mpomba ny ankolafy Ravalomanana ao Ambositra mihaino ny vaovao rehetra ka hotohizana isaky ny sabotsy tolakandro izany ao amin’ny efitrano malaky ny Kaominina Ambositra araka ny nambaran’ny CST Lova Rakotonirina.
Nandritra ny fihaonana tamin’ny sabotsy 06 oktobra teo no nanasongadinana fa miandry ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy ho ela ny ao Ambositra ka hanao rodobe hiakatra aty Antananarivo raha tonga ilay fotoana. Maro rahateo no manana fanantenana ny hiverenan’ny Filoha Ravalomanana sy hilatsahany hofidina ka hahalany azy ho Filoham-pirenena indray. Mizotra am-pilaminana hatrany hatramin’izao ny fihaonan’ireo mpomba ny Filoha teo aloha ao Ambositra ka tsy mbola nisy ny sakantsakana ataon’ny manampahefana ao Amoron’i Mania satria tsy manao hetsika an-dalambe ireo mpanaraka ny Filoha Ravalomanana.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.