Politique

Fitsarana Tampony Nomen’ny Filoha Fiara 4x4 miisa 8


  • Talata 07 Desambra 2021

Notolorana fiara tsy mataho-dàlana raitra dia raitra miisa 8 ny Fitsarana Tampony. Notontosaina teny Anosy anosy omaly ny lanonana ofisialy nanolorana izany ho an’ity andrim-panjakana ity.

 Notsindriana sy notsipihina manokana fa “Fanomezana izay avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina izany”, hoentin’ireo lehiben’ny fitsarana telo mandrafitra ny Fitsarana Tampony manatanteraka ny asa ho an’ny vahoaka manerana ny faritra eto Madagasikara, hoy ny tatitra. Tonga nanolotra izany tamin'ny anaran'ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa Imbiki Herilaza. Nomarihin-dRamatoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ny fanomezana toy izao dia fanapahan-kevitra avy amin’ny ny Filoham-pirenena irery ihany. Nanentana ihany koa izy ny hikojana izany fitaovana izany mba ho tsara tahiry. Somary manahirana ny maheno ilay hoe: “fanomezana avy amin’ny Filoham-pirenena”. Tena avy amin’ny Filoham-pirenena vola manokana avy any am-paosiny sa avy amin’ny volam-bahoaka tantanin’ny Fanjakana? Toa entina hankalazana sy hanasongadinana ny Filoham-pirenena manokana mantsy ilay izy, rehefa dinihina sy halalinina. Mety hisy akony any amin’ny fisaraham-pahefahana sy ny tsy fitongilanan’ny fitsarana ny endrika nisehoany. Zava-dehibe ny fanolorana fitaovana hoenti-miasa tahaka izao, saingy somary mampanahy ihany ny endrika nanehoana azy. Misy ifandraisany ihany koa ve sa fifandrifian-javatra ihany teo anatrehan’ilay tsy namoahan’ny Filoha tao anatin’ny didim-panjakana ny 03 novambra 2021 nanamarina ny maha solontenan’ny Fitsarana Tampony voafidy ho solontena ao anatin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana? Marihina mantsy fa naverina ny fifidianana teo anivon’ny Fitsarana Tampony, ary nohamafisin’ireo mpifidy ny fahalanian’ilay solontena efa nofidian’izy ireo ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT