Dingana telo izao no efa vitan-dRajoelina hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy hody. Voalohany amin’izany, ny fitsarana sadasada momba ny raharaha 7 febroary 2009.
Tiana hosamborina kanefa tsy avela mody. “Inona no marina ?”, hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace nametra-panontaniana. Ankoatra izay dia nambara ihany koa fa tsy afaka mody Ravalomanana fa mpanakorontana. Remenabila mpanakorontana aza anefa tsy mety tratra hatramin’izao. Fahatelo dia lazaina fa mitady hamono an’i Andry Rajoelina i Marc Ravalomanana. Ny iray anefa any Afrika Atsimo, ny iray eto an-toerana. Ilay “ni..ni” no tiana voizina sy hampiharina satria matahotra an-dRavalomanana na Andry Rajoelina na ireo mpiara-dia namany. Ireo mbola tia an-dRajoelina dia ireo mankato ny baranahiny, ny mpandika lalàna, mpangalatra, mpanao risoriso. Tsy mbola nisy toy izao. Hatramin’ny polisy sy miaramila avy izao no mandrahona mpitsara. Fahantrana mora, fahafatesana mora no azo eto satria dia lasa mahantra ny Malagasy na ara-batana na ara-tsaina, indrindra fa ara-panahy. Araka izany dia ilaina ihany ireo hopitaly manara-penitra satria reraka ny vahoaka. Ny zava-misy anefa dia ireo hopitaly efa nijoro hatramin’izay aza mbola manara-penitra kokoa na eo amin’ny fotodrafitrasa na eo amin’ny olona miasa, na koa ireo fitaovana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.