Notontosaina ny marainan'ny omaly alarobia 26 febroary 2020 tao amin'ny Fitsarana ara-bola Antananarivo
ny tatitra ampahibemaso momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana nandritra ny taom-piasana 2018-2019. Rehefa nampahafantatra ny lalàna mifehy ny asany ny Fitsarana momba ny kaonty sy ny Fitsarana ara-bola ny Mpampanoa, dia niroso avy hatrany tamin'ny fizarana ny ampahany amin'ny tatitra ny mpanolotsaina avy ao amin'ny Fitsarana ara-bola Antananarivo. Isan’izany ny fandinihana ny fitantanana ny "Bureau du Cadastre Minier de Madagascar" (BCMM), ny vokatry ny fitsirihana tao amin'ny "Société Autonome pour la Maintenance de la Ville d'Antananarivo" (SAMVA), ny vokatry ny fanaraha-maso ny tsenambaro-panjakana, teo anivon'ny minisiteran'ny fahasalaman-bahoaka, sy ny minisiteran'ny mponina, ny fiarovana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana ny vehivavy. Anisan’ny niantefan’ny ahiahy sy ny fitarainana momba ny fikirakirana sy fitantanam-bola moa ireo sampandraharaha sy departemanta ireo. Raha namarana ny lanonam-pitsarana manetriketrika ny filohan’ny Fitsarana ara-bola Antananarivo, dia nanamarika fa tsy tsikera no tanjon'ny tatitra nentin'izy ireo fa ho fanatsarana ny fomba fiasa; hampirindra ny asa sy ny fitantanam-bolam-panjakana, eny anivon'ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana indrindra indrindra. Tonga nanome voninahitra ny fotoana, nisolotena ny Mpitahiry ny kasem-panjakana moa ny sekretera jeneraly eto amin'ny minisiteran'ny fitsarana, Andriamatoa Imbiki Herilaza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.