Politique

Fitsarana lasa fitaovana politika Depiote teo aloha 79 hogadraina ?


  • Talata 14 Mey 2019

Efa eny am-pelatanan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôles Anti-Corruption) etsy 67 Ha amin’izao ny dosie mahakasika ny kolikoly niseho teny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fiandohan’ny taona 2018,

 

 nisian’ny resaka fizaram-bola niketrehana fampandaniana ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana tamin’izany fotoana, raha ny tatitry ny Bianco. Solombavambahoaka miisa 79 no voarohirohy tamin’io, ka nalaza fa nahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary isaky ny depiote ny sandan’ny fananganan-tànana. Nivoaka ny horonan-tsary niendrika fizaram-bola, izay nampisambadidaka ny samy mpanohana fitondrana HVM, ka tao no nilaza fa efa tamin’ny taona 2016. Tao ny niteny fa fizaran-tsolika ho an’ny depioten’ny fitondrana. Nitokana teny amin’ny Hotely Paon d’Or Antanetibe Ivato ireo depiote tamin’izany ireo ny  30 martsa hatramin’ny  2 aprily 2018 nialoha ny nandaniana ny lalàna. Nalaza ho fanomanana ny kolikoly sy ny fizaram-bola io fotoana io. Izay resaka kolikoly sy ny tery vay manta tamin’ny lalàm-pifidianana izay no nampipoaka ny tolona notarihin’ny depiote 73 nampirodana ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Ny loharanom-baovao manokana azo no nahafantarana fa ny 20 aprily 2018 maraina no  nalaina ny “disque dur”  an’ny solosaina mitahiry ny horonantsary rehetra niseho tao amin’ny Paon d’Or heverina ho naneho ny mety ho nampidirana ny vola na ny fizaram-bola tao. Loharanom-baovao hafa ihany koa no nahafantarana ny fisian’ny depiote miisa 3 nandrotsaka vola 20 tapitrisa ariary in-droa misesy avy tao amin’ny banky iray teto Antananarivo, izany hoe 40 tapitrisa ariary avy . Maro amin’ireo depiote voarohirohy tao anatin’ny raharaha no efa namadika palitao ka niaraka amin’ny filoha ankehitriny.Na mitombina na tsia ny fiampangana, mibaribary fa tena mafy ny fanenjehana, fisamborana, fakana am-bavany, fampidirana am-ponja ireo olon’ny HVM hatramin’ny naha teo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina.Raha hoe volabe sy resaka malety anefa, mety mba misy olon’ny Mapar ho voasambotra sy higadra ihany koa raha tena atao ny fanadihadiana lalina…saingy ny mpifanandrina politika amin’ny antokon’ny fitondrana aloha amin’izao vanim-potoan’ny propagandy izao no lasibatra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT