Politique

Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Hiteny sa hody fanina ?


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Ao anatin`ny firenena iray ny sata repoblikanina sy ny demokrasia dia ny fifidianana no heverina fa zava-dehibe indrindra.

 

 

Ny fifidianana ihany no hany fomba ahafahan`ny vahoaka andriamanjaka mametraka ireo olona izay hitany fa mendrika hitantana ny firenena na filoham-pirenena na solombavambahoaka na ben`ny tanàna. Niaiky ny CENI izao fa nisy ny hosoka ka tena mametra-panontaniana ny fijoroan`ny fitondram-panjakana ankehitriny. Raha tsiahivina dia maro ny fanehoan-kevitra fa  misy raha tsy manjary tamin`ireo fifidianana nifanesy. Tsy mahagaga raha 30% sisa ireo tonga nifidy nandritra ny fifidianana farany teo satria maro ny zavatra tsy manjary. Tsy matoky intsony ny zavatra karakarain`ny fanjakana ny vahoaka. Aiza sy hatraiza ny ahafahan`ny fitondram-panjakana mametraka sy milalao ny vahoaka amin`ny alalan`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ? Raha te hanaporofo ny fitondram-panjakana fa madio dia averina ny fifidianana. Aiza ho aiza ihany koa ny HCC manoloana ity tranga ity ? Nomena porofo maro napetrak`ireo mpitory ity andrim-panjakana ity saingy nilaza hatrany fa “azo raisina fa tsy mitombina”. Nanao antso avo ireo antoko politika sy fiarahamonim-pirenena hoe mba jereo ihany izahay saingy tsy nisy noraisina ireo fitoriana ireo. Mbola sahin`ny HCC atao ve ny tsy hijery fotsiny io zavatra nambaran`ny CENI io ? Nisy ny heloka ka rehefa misy ny fandikan-dalàna dia misy fepetra raisina ao anatin`ny firenena. Misy lalàmpanorenana eto amin`ny firenena saingy manao izay danin`ny kibony fotsiny ny rehetra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT