Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana

> Tonga ny fotoana handravana azy


  • Talata 18 Febroary 2014

Io indray ny kitoatoa !

Hiverina indray ve ny tamin’ny 2009 ka taratasy tsotra navoakan’ity andrimpanjakana ity no nifaharan’ny mpanongam-panjakana ka nitarika tamin’iny tetezamita lavareny namotika firenena iny ? Naneho ny heviny (Avis) araka ny fangataham-panazavana nataon’ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny HCC, omaly mikasika ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana momba ny fanendrena praiminisitra, ka nilazany araka ny fanehoan-kevitra laharana faha-01-HCC/AV ny 17 febroary 2014 fa ny praiminisitra dia avy amin’ny antoko na vondrona antoko nijoro ara-dalàna tamin’ny fotoana fandrotsahana filatsahan-kodiana, ka manana maro an’isa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ny filohan’ny Repoblika avy eo no manendry io praiminisitra avy amin’ny antoko na vondrona antoko maro an’isa io. Ireo mpahay lalàna dia mahita fa fanehoan-kevitra natao mba hahametimety ny MAPAR fotsiny no nataon’ny HCC, ary mety vao mainka hampisavoritaka eto. Ny andininy faha-120 amin’ny lalàmpanorenana tamin’ny 17 novambra 2010 moa milaza fa didy tsy azo ivalozana ny “arrêt” sy “décision” avoakan’ny HCC. Tsy voasoratra amin’io andininy io kosa ny “Avis”. Midika izany fa tsy mamatotra ny Filohan’ny Repoblika io fanehoan-kevitra nataon’ny HCC omaly io. Any amin’i Hery Rajaonarimampianina, araka izany, ny baolina. Tonga amin’izay ihany koa angamba izao ny fotoana tokony hanafoanana ka hanavaozana ny mpikambana ao amin’ity HCC ity, satria efa teo hatramin’ny 2001 ny mpikambana ao. Efa lany andro ka sao hanimba zavatra eto !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT