Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana

> Nesorina ny filohany, nametraka ny olony ny filoham-pirenena


  • Zoma 28 Febroary 2014

Namoaka didim-panjakana roa sosona ny filoham-pirenena omaly 27 febroary. Ny voalohany manala amin’ny toerany an’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana Rajaonarivony Jean Michel, ny faharoa mampitsahatra amin’ny andraikiny ka nanoloana ireo mpanolotsaina avo telo tendren’ny filoham-pirenena mivantana.

Voakasik’io ny fanoloana io ireo mpanolotsaina avo isany notendren’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia Rajaonarivony Jean Michel, Imboty Raymond (zokiolona) ary Rakotondrabao Dieu Donné. Ity farany moa tsiahivina ihany fa solontenan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ao amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES 2). Nesorina tsy ho mpikamban’ny HCC intsony anefa izy izao, koa dia mety mitarika ny fialany ho azy tsy ho mpikambana ao amin’ny CES izany. Omaly ihany dia efa voatendry ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana anjaran’ny filohan’ny Repoblika dia Atoa Rakotoarisoa Jean Eric, manampahaizana manokana momba ny lalàmpanorenana sady mpampianatra lalàna miampy ny mpitsara avo isany Yvonne Raharison ary Fara Alice Ravaoarisoa. Mikasika ireo mpikambana hafa solontena roa avy amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny roa anjaran’ny Antenimierandoholona ary ny roa avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara dia manohy ny asany aloha ireo efa mpikambana ao mandra-pifidy ireo solontena vaovao isaky ny vondrona. Marihina fa sivy taona tsy azo havaozina ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT