Niakatra fitsarana omaly 14 oktobra ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, niaraka tamin’ireo olona 4 enjehina miaraka aminy.
Fikasana hanongam-panjakana tamina fanakaramana olona hanao fihetsiketseana sy fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena no voalaza fa vesatra hanenjehana an’i Rolly Mercia. Anio no hivoaka ny didim-pitsarana, raha ny fantatra omaly teny amin’ny Fitsarana. Nohalavain’ny fitsarana iray volana anefa ny fitazonana am-ponja vonjy maika maika an’i Rolly Mercia, raha ny fantatra. “Amin’ny raharaha sahala amin’io, dia telo volana ny fetran’ny fahafahana mitazona am-ponja ilay olona, ary afaka halavaina rehefa tapitra iny. Ny 16 jolay, izany hoe tokony ho tapitra rahampitso ny fitazonana azy am-ponja vonjimaika. Raha ny lojika dia tokony ny fitsarana androany 14 oktobra no nanapaka ny fanalavana izany, fa ny mahagaga dia nataon-dry zareo tamin’ny fitsarana ny 12 oktobra izay tsy fantatr’I Rolly Mercia sy ny mpisolovava akory no nisiany, fa mijery dosie fotsiny dia gaga aho mahita izany ao anatin’ilay dosie”, hoy hatrany ny Mpisolovava Me Eric Rafidison mpiaro an’i Rolly Mercia. Ny didy androany no ahitana ny akony, kanefa toa efa midika zavatra ny fanalavana ny fe-potoana hitazonana an’I Rolly Mercia nampiana iray volana. Ny raharaha nisiana hetsika teny Ambohipo ny 13 jolay voalaza fa fitakiana ny famotsorana an’i Berija Ravelomanantsoa moa no nampidirana an’i Rolly Mercia. Ny 6 jona no naiditra am-ponja I Berija, ary ny 30 septambra lasa teo no nomelohina higadra 44 volana an-tranomaizina. Andrasana ny didy sy ny tohiny ho an’i Rolly Mercia, izay tsikaritra ho niha fotsy tanteraka ny volony, raha ny fahitana azy nandritra ny fiakarany fitsarana omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.