Politique

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy


  • Zoma 14 Jona 2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

 

 

 Nandeha fampanoavana ny talata lasa teo, ka nahazo fahafahana vonjimaika ny toriana. Amin’ny 20 jona izao no ho fantatra ny didy. Nivoitra tao anatin’io ny filazana fa mpisoloky i Holijaona Rabaonarijaona izay nivarotra ny tetikasa IEM tamin-dRajoelina. Anisan’ny fototry ny fionganan’ny Profesora Zafy Albert io olon’ny IEM io, raha ny nambarany. Tany amin’ny taona 1994, dia Tale Jeneraly lefitry ny Flamco izy. Fisolokiana  goavana indrindra teto Madagasikara nahabankiropitra ny firenena io, raha ny voasoratra. Tetika nakana vola in-telo nisesy manodidina ny 3.4 tapitrisa dolara tao amin’ny BTM (Bankin’ny Tantsaha Mpamaokatra, ka 10.2 tapitrisa, izay tsy nisy antoka mazava. Volabe 4 miliara ariary no nanjavona tamin’ny resaka fitsoahan-ketra nataon’ny Flamco, ary 6 miliara ihany koa ny fatiantoka sy vola fongana tao anaty kitapom-bolam-panjakana… Samy milaza ho mpanohana sy naka ny fon-dRajoelina izy ireo ary nifamoaka tsiambaratelo sy mifanenjika tanteraka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT