Politique

Fitsarana an’i Riana Ny anaran-dRanjeva mihitsy no nenjehina


  • Alarobia 01 Desambra 2010

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mahakasika an’i Riana Ratsialovanina, ilay zanaka vavin’ny Pr Ranjeva Raymond.

Nahazo sazy mihantona iray volana ny tenany. Tsy naharitra ela araka ny nieritreretana azy ny fitsarana ary zara raha nisy 15 minitra monja dia vita tao amin’ny efitra voalohan’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy. Ny antony ? Vao nanomboka dia nilaza mazava ny mpisolovava an’i Riana Ranjeva fa tsy amin’ny maha Riana Ranjeva azy no hitsarana azy fa kosa amin’ny maha Riana Ratsisalovanina (anaram-badiny) azy. Vao naheno an’izay ny mpitsara dia hita ho sadaikatra ary tsy niandry ela dia nisintona. Tsy niandry dimy minitra taorian’izay dia nitohy indray ny fotoam-pitsarana ary tao anatin’izay ihany koa no nivoaka ny didy. Faly ny fianakaviana Ranjeva iray manontolo izay tonga nanatrika ny fitsarana.

Nanao hiakan’ny tsy fifaliana kosa ny olona sasany izay tsy fantatra mazava hoe iza ? Afaka izany izay ny zanany raha tsy fantatra kosa izay hahazo an-drainy izay hita fa enjehina tanteraka hatreto. Amin’ny zoma izao moa io farany no hantsoina hiverina eny Ankadilalana raha araka ny fantatra. Raha jerena ara-politika dia entina handrahonana azy iny famonjana andro vitsy ny zanany iny. Asa anefa izay mety ho fanapahan-kevitry ny Profesora raha hiditra lalindalina kokoa hatrany ka handray andraikitra na koa naharary azy ny nahazo an-janany ka ho tapa-kevitry ny hipetrapetraka sy hitazam-potsiny... Fa tsy nihelohelo toy ny mahazatra teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana ny Emmo-Reg, na nisy firohotan’ny olona, liana nanaraka ity fotoam-pitsarana ity aza omaly. Efa fantany mialoha ve ny fivoakan’ny didy, ka azony antoka fa tsy hisy hisavoritaka eo, ka tsy tonga izy ireo ? 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT