Eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nanomboka ny 6 jona ny didy hitsivolana n°2019-009 manova ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna n°99-012 tamin’ny 19 aogositra 1999 mahakasika ny harena ankibon’ny tany na ny « code minier ».
Miandry ny fandinihana sy fankatoavan’ny HCC izy io. Tsy fantatra mazava izay fanitsiana sy fikitihana nataon’ny fanjakana. Fotoana vitsy nialoha io, ny 31 mey tany amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, no nanolaran’ny BRGM (Bureau de Recherche Géologique et Minière) tamin’i Andry Rajoelina ny (BRGM) ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataony nandritra ny 50 taona mahery, izay mirakitra ireo torohay sy firaketana rehetra momba ny toe-tany sy ny harena ankibon’ny tany Malagasy. Toa nireharehan’ny filoha sy ny ekipany fa izy ireo no fanjakana azo itokisana ka nomena ny dosie momba ny harena izay ny Frantsay izany no mahalala kokoa noho ny Malagasy. Inona no tambin’ilay fanomezana ny antontan-kevitra ? Sao kosa izy ireo no azo hanaovana kopaka isasahana ? Tsy tongatonga ho azy ny fikitihan’ny fanjakana ny lalàna momba ny harena ankibon’ny tany fa mifanjohy ireo. Azo ny voka-pikarohana, ka mety hisy izany ny fitrandrahana mety hiaraha-miketrika amin’ny Frantsay. Ny 8 martsa 2018 tany Ambilobe rahateo, ohatra, dia nanipy teny momba ny fisian’ny orinasa 6 matanjaka eto ambonin’ny tany amin’ny fitrandrahana volamena ny filoha. Amboarina ny RN5A (Ambilobe-Vohémar), hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.