Politique

Fitorian’ny Loholona Azo raisina fa tsy mitombina, hoy ny HCC


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Notsipahin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny fitoriana nataon’ireo solontenan’ny loholona miisa 9 naneho fa misy ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona.



Teo ny dingana nandaniana ny lalàna 001/2020 momba ny fikitihana ny lalàna sy ny sata momba ny antenimierandoholona sy ny fifidianana azy niteraka savorovoro, narahin’ny didim-panjakana 2020/1110 ny 09 septambra teo manaika ny mpifidy vaventy ho tonga hifidy ny 11 desambra izao. Tsy ampy ireo vondron’ny mpifidy, ahitana ny ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, lehiben’ny faritany sy mpanolontsaina, lehiben’ny faritra sy mpanolontsaina, raha ny fanazavan’ny mpanohitra. Azo noraisina ny fitoriana, fa tsy mitombina na tsy marim-pototra ny fitoriana, raha ny valin-kafatry ny HCC. Efa nampoizina ihany io, fa ny ho setriny sy tohiny avy amin’ny loholona sy ny mpanohitra no andrasana. Ny 17 septambra lasa teny amin’ny Panorama dia efa nanameloka ny HCC ny fanambarana politika tamin’io fotoana io. Mihalalina aloha izany ny fifandirana ara-politika, ka dia andrasana izay hiseho!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT