Raharaha mitana ny sain’ny maro, tsy ny Malagasy ihany, fa ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ankehitriny ny vono olona sy ny doro fananana mitranga any atsimon’ny Nosy any.
Raha nanao tatitra ny asany tany ireo mpitarika ny andia-tafika manokana ao anatin’ny “Opération Tandroka” dia niezaka niaro tena fa tsy misy fandorana tanàna na fanaovana vonomoka olona izany ataon’izy ireo. Rehefa izay dia nanilika any amin’ny fitondrana teo aloha notarihin’i Marc Ravalomanana ho fototry ny firongatry ny asan-dahalo amin’izao any io, ireo mpitari-tafika. Nampiaka-peo sady nandon-databatra noho izany endrika fiampangana bontolo izany ny ankolafy Ravalomanana ary nilaza ampahibemaso fa hitory ny jeneraly Ravalomanana Richard komandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny kolonely Lylison, talen’ny FIS. Ankoatra izay dia re fa nanangana ny fikambanana AVOTA (Association des Victimes de l’Opération Tandroka) koa izao ny teraka Atsimo. Ny CST Naika Eliane no nampahafantatra ny fisian’io tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Hitory an’i Andry Rajoelina sy ny kolonely Lylison no tanjona, hoy izy, ka mangataka ny hanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena mikasika io raharaha any atsimo io ny AVOTA satria dia famonoana havana, mpiray tanindrazana tsotra izao no atao any.
Nametra-panontaniana moa ity Parlemantera ity, ny amin’ny andraikitry ny Croix Rouge Malagasy manoloana ny toe-javatra toy izao. Tsy misy sa tsy mety mankany, hoy izy. Nandroso tolokevitra i Naika Eliane hiantsoana ny Croix Rouge Internationale hijery sy hanadihady ary hanao tatitra mikasika ny zava-misy any atsimo ity. Nahitsy fiteny koa ny CST Naika Eliane nilaza fa tompon’antoka amin’izao zava-mitranga any atsimo izao i Andry Rajoelina, satria dia izy mihitsy no nanatitra ary nitsodrano an-dry Lylison tany Betroka ka dia “any amin’ny tribonaly mifankahita”, hoy ity Parlemantera zanak’i Menabe ity. Nambarany fa efa nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety mikasika io toe-javatra any atsimo io tany La Réunion ny tenany ary “betsaka ny mpisolovava vonona hanome tanana”, hoy izy. Ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanislas, tetsy ankilany dia nanamafy fa heloka ny famonoana olona mialoha ny fitsarana azy. Olona mitsoaka noho ny tahotra ve dia tifirina, hoy izy.
Dia samy miandry izay ho tohin’ireny fikasana hametraha fitoriana samihafa ireny ny rehetra. Fantatra mantsy fa dia mandrafitra dosie hoentina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mikasika io raharaha any atsimo io koa ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo. Farany teo moa ny Amnesty International dia efa namoaka ny ampahany amin’ny tatitry ny zava-misy any, ary mitaky ny hanaovana fanadihadiana ka hanolorana amin’ny fitsarana ireo manamboninahitra tompon’antoka amin’ny famonoana olona tany. Araka izany dia angaredona no miandry ny FAT amin’ity raharaha ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.