6033 ny isan’ny fitoriana kolikoly voarain’ny Bianco ny taona 2019, ary tany amin’ny taona 2008 no nisiana fahasahiana tahaka io. Raharaha fanodinkodinana volam-panjakana no betsaka indrindra tamin’io, ary rehefa vandana dia kary fa tsy misy hoe manenjika.
Tany amin’ny Minisitera sy sampan-draharaha rehetra dia nahitana avokoa. Miantso ny mpanao tsikera ho sahy hatramin’ny farany ho an’ny Bianco. Rehefa manao fitanana an-tsoratra dia aza atao hoe tsy hitonona anarana, ary miantso an’ireny. Nahatratra 55 ireo naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha kolikoly ny taona 2019, araka ny tatitry ny Bianco omaly. Raha tsiahivina dia 24/100 no naoty azon’i Madagasikara ho an’ny taona 2019, izay nihena isa iray mitaha ny 2018. Faha-158 amin’ny firenena 180 i Madagasikara, raha faha-152 ny taona 2018, raha toa ka faha-84 tany amin’ny taona 2008, izany hoe nihemotra toerana 74 teo tao anatin’ny 12 taona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.