Politique

Fitondrana tsy misy hatokona Mety aminy kokoa ny manaja tena


  • Zoma 20 Mey 2022

Herintaona sy tapany sisa hananan’ny Fitondrana Rajoelina hanatanterahany ny veliranony, hanentsenana ny lavaky ny tsy fahaiza-mitantana. Ho sarotra izany, raha tarafina amin’ny fomba fiasa hatramin’izay.

Manapitra fe-potoam-piasana sy manaja tena angamba sisa vahaolana fa raha izao hafainganam-pandeha izao tsy misy antenaina intsony. Lesoka ny hoenti-manana, lesoka ny fananana olona sy hevitra,… Marefo ara-politika, malemy ara-diplaomasia, votsa ara-pomba fiasa fa lasan-ko vavany fotsiny Fanjakana. Manaporofo izany ilay hoe: vao ny volana febroary lasa teo no nikaroka manam-pahaisana na “consultant” handrindra sy handamina ny laharam-pahamehana ao anatin’ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar), ary handresy lahatra ny mpamatsy vola. Olan’ny vatsim-pianarana sy karaman’ny mpandraharaha ary ny fitakian’ny mpampianatra, olan’ny orinasa mpanamboatra làlana, mpiasan’ny fahasalamana,… aza gidragidra hatrany vao voavaha kanefa misy aza mbola vaovaha. Amin’ny fomba ahoana no hananana fanantenana intsony an’izao fitondrana izao raha zavatra azo heverina ho madinidinika aza manahirana mainka fa zavatra goavana. Efa vonona sy feno ve ny vola hanaovana ny Tanamasoandro izay nambara fa handray ny lalao olaimpika 2023? Mba aiza ho aiza ilay hoe: fantsona fitarihan-drano lehibe indrindra any Atsimo noresahina ny aogositra 2020? Firy isan-jaton’ny 3 miliara dolara hanamboarana ny lalàm-be migodana na “Autoroute” Antananarivo Toamasina no efa vonona? Namokatra firy litatra izay ny orinasa mpamokatra ethanol any Ambilobe nolazaina fa hotokanana ny 08 desambra 2019? Ary efa tonga ve ilay solosaina isam-pokontany nolazaina sy nampanantenaina tamin’ny 08 aprily 2020? Firy isan-jaton’ny tanora any Alaotra no nahazo tany 1ha avy? Fampanantenana poakaty no betsaka kanefa mbola mirarakopana sy hirarakopana ny hafa. Sao mba tokony hampidirina amin’ny lalàm-pifidianana ihany koa ny hoe: inona ny sazy na fepetra raisina amin’ny mpanao politika mamahan-dalitra vahoaka fotsiny amin’ny propagandy fa rehefa tonga eo tsy hita izay tena ataony ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT