Tsy vitan’ny hoe nandrodana ny fitondrana fotsiny i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy fa tena nandrava mihitsy ireo rafitra rehetra napetraka tao anatin’ny enin-taona mba hampandrosoana an’i Madagasikara.
Nambara mantsy fa ratsy sy tsy nety avokoa ny nataon’ny fitondrana teo aloha, ka na ilay rameva, fanomezana avy any Libia aza, tsy noraharahaina ka maty ho azy teny Tsimbazaza. Fa ny tsy takona afenina amin’izao fitondrana tetezamita izao dia ny tsy fahampian’ny fitarihana, na ny tsy fisiany mihitsy. Nalevin’ny FAT im-pito mandifitr’olona tokoa mantsy ilay tetikasa goavana momba ny fitarihana mahomby napetraky ny fitondrana Ravalomanana, izay zavatra tsy maintsy atao eto satria tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fanovana ny toe-tsaina. Nofoanana tanteraka ary tsy miasa intsony ny NLIM (National Leadreship Institute of Madagascar) izay nanana ny foibeny teny Iavoloha, ary efa namoaka mpianatra andiany voalohany.
Natao hanofanana ireo olona hanetsika sy hitarika ny mpiray tanindrazana aminy amin’ny sehatr’asa sy ny seha-pihariana rehetra misy io ivontoerana io. Nahazo tombontsoa tamin’izany ireo Sefo Fokontany sy ny Ben’ny tanàna ary koa ny vehivavy. Mila fiomanana ara-tsaina goavana mantsy ny fiatrehana ny fampandrosoana na ho an’ny mpitondra io, na ho an’ny vahoaka, fa tsy vitan’ny kabary sy ny asa be andro aman’alina fotsiny. Tsy misy resaka intsony anefa ny momba izany hoe : «leadership» na fahaiza-mitarika izany amin’izao vanimpotoanan’ny Fahefana avon’ny tetezamita izao, fa dia abosesika izao karazan-javatra rehetra izao, ary ny tsikaritra ary dia tena fanabadoana sy fandemen-tsaina no atao amin’ny Vahoaka malagasy fa tsy fampianarana azy ho any amin’ny tsara kokoa, hoy ny mpandinika fiarahamonina iray no sady efa nahazo fiofanana teny amin’ny NLIM tamin’ny fotoan’androny.
Tsy mahagaga, hoy ihany ny fanazavany raha tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny zavatra atao amin’izao fotoana, tahaka ny nitranga tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Satria nozarina amin’ny zavatra mora ny Malagasy fa tsy nampirisihana hikaroka sy handalina intsony. Mikoroso fahana ny firenena satria ny mpitondra mihitsy no tsy mahay mitarika ny olona amin’ny lalana tokony halehany, hoy ihany izy nanazava. Mahatsikaritra ihany koa ny mpandinika maro eto an-toerana fa mihazakazaka ho any amin’ny fahabetsahan’ny zavatra vita fotsiny fa tsy mieritreritra ny kalitaon’ny asa ataony ny fitondrana tetezamita, satria politikan’ny seza no tena imasoany fa tsy politikam-pampandrosoana. Fehiny dia mpitondra mikarakara ny fampandehanan-draharaha isan’andro ihany no misy eto fa tsy mpitarika manana vina ho amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka sy hampandrosoana ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.