Ny zoma 24 janoary no vita ny famindrana ny lakile lehibe teo amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny filoham-pirenena vaovao Rajaonarimampianina Hery.
Hatramin’izao kosa, tsy mbola vita ny famindram-pahefana teo amin’ny roa tonta, tsy nisy sonia narahina tombokasem-panjakana, na dia natao nahoraka be mihitsy aza fa io 24 ora mialoha ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika malagasy vaovao io no fotoana tokony hanatanterahana izany. Herinandro mahery aty aoriana dia tsy mbola tanteraka ny fakan-tsary fanaovan-tsonia ny famindram-pitantanana teo amin’izy roalahy. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny anton’ny tsy nahatontosa izany fa ny hita kosa dia mitsirika ny zava-misy miaraka amin’ny fanadihadiana ifotony ny eny anivon’ireo lapam-panjakana ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika ka mitarika izany ny Talen’ny fampielezan-kevitry ny kandidan’ny HVM, Randrianarivony Jaobarison. Ankoatra ny fanamboarana maro tsy maintsy hirosoana dia nisongadina teny amin’ny Lapan’Iavoloha ireo hazo sarobidy efa lanin’ny andro an-taoniny maro miampy ireo fiara fampiasa amin’ny fambolena izay tsy afa-mihetsika noho ny ny kojakoja ara-pitaovana tsy voarindra. Raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra misahana ny ala tonga teny an-toerana moa dia efa tamin’ny faran’ny taona 2008 no natao ny fanisana farany ireto hazo sarobidy sarona teo anelanelan’ny taona 2005 sy 2008 ireto. Tsy mbola nahazoana fanazavana kosa ny mikasika ireo fitaovam-pamokarana mipetra-potsiny ankalamanjana ao amin’ny faritry ny lapa. Andrasana moa ny tatitra mazava vokatr’ireo fitsirihana roa notanterahana teny Ambohitsorohitra sy Iavoloha ireo, izay midika sahady fa tena nanjaka tokoa ny gaboraraka sy ny tsy fahaiza-mitantana nandritra ny dimy taona naharetan’ny tetezamita.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.