Politique

Fitondrana Rajoelina Tsy mahomby, tompondakan’ny fanamarinan-tena


  • Talata 10 Aogositra 2021

Raha misy angamba mpitondra nandetika an-davaka indrindra an’i Madagasikara tao anatin’ny 60 taona, dia ny Fanjakana tarihin’i Andry Rajoelina niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 2009

 nampitontongana tanteraka ny fiainana ara-toekarena, sosialy, eny fa hatramin’ny toetsaina aza. Mbola mitohy hatrany io taorian’ny 2018 nandraisany fahefana indray. Tsara tsiahivina foana fa 7,1% ny harin-karena faobe ny 2008, ary 5,2% ny 2018, saingy ny tatitra farany nataon’ny Banky iraisam-pirenena ny faran’ny 2020 dia -4% eo, saingy mbola nanakiana ny teo aloha ny Filoha ankehitriny, nilaza fa firenena latsaka an-davaka no noraisiny, saingy ny azy izany nilentika tanteraka. Tanjona ho an’ity 2021 ity napetraky ny Fitondrana Rajoelina ny 4,5%, saingy ny tombatomban’ny Banky iraisam-pirenena, araka ny tatitra navoakany ny 16 desambra 2020 dia 2% raha voafehy tsy tratry ny andiany manaraka tamin’ny coronavirus, saingy vao niandoha kely ny taona, dia nandravarava io, izao vao somary afa-bela. Fady amin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany no hiaiky ny tsy fahombiazany, ary tsy maintsy manamarin-tena sy mitady hanilihana na dia miteny ho azy aza ny tarehimarika, fa rehefa izy ireo no mandray fahefana dia mitsojo sy potika hatrany ny fiainana ara-tsosialy sy toekarena. Ny politika noventesina hatrany amin’ny propagandy dia hoe tsy miantehitra amin’ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra izay mampahantra firenena. Raha zohiana amin’io, tsy tokony ho olana tamin’ny fitondrana ny valanaretina coronavirus sy ny resaka ara-bola, saingy io no fialana bala lava amin’izao. Samy niresaka an’io na ny Minisitry ny serasera izay nanao fampitahana hafahafa mihitsy aza fa ny taona 2015-2016 tsy nisy coronavirus dia tena henjana ny vidim-piainana ka tsy maintsy nitabataba, fa ny amin’izao dia hoe noho ny valanaretina. Mbola niresaka toa an’io ihany koa ny Governoran’Analamanga fa ny coronavirus no fositra. Nisy ilay fanamarihana nataon’i Marc Ravalomanana hoe : nahoana ary ny firenen-drehetra samy tratry ny coronavirus no tafarina sy tafavoaka fa I Madagasikara ihany no miha gisitra hatrany ? Ny tsy fahombiazana aza moa ifanilihan’ny samy mpitondra hoe : raha TGV daholo ny minisitra efa tsy toy izao ny fandrosoana, ny Filoha milaza fa misy olom-panjakana tsy mandray andraikitra,… koa inona intsony no azo antenaina raha ny Raiamandreny tokony hiahy ny zanany aza miraviravy tànana sy mifanilika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT