Politique

Fitondrana Rajoelina “Tonga amina toerana manahirana indrindra…”


  • Zoma 11 Septambra 2020

Ity no tadidio, fa rehefa ny Filoha no lany tamin ny isam-bato 55% na koa hoe tonga dia lany maherin’ny 80%.

 

 Avy eo mbola mahazo depiote 80%, ben’ny tanàna 80%, loholona 95%, dia tonga eo amin’ny antsoina hoe : “point culminant" izy izay, ary dia tsy maintsy mijotso, hoy Atoa Randriamamizafy Ignace, mpandinika sady mpanao politika. Ny iafarany dia na izy miongana, misy vahoaka midina an-dalambe sy krizy, na izy tsy lany amin’ny fifidianana filoha manaraka eo, hoy hatrany izy. Efa niseho io tamin’ny andron’ny Filoha Tsiranana sy ny PSD: 98% ny depioteny, 80% ny loholona, ary efa ho 90% mahery ny ben’ny tanàna ny janoary 1972, saingy ny aprily dia raikitra ny grevy ary niongana ny may 1972. Ny Filoha Ratsiraka sy ny Arema ny 1989, dia voafidy 68% izy, nahazo depiote 90%, ben’ny tanàna 90%, kanefa nigreven’ny vahoaka ny taona 1991. Ny Filoha Ravalomanana sy ny TIM lany tamin’ny 54% ny desambra 2006, nahazo depiote 85%, loholona 95%, ben’ny tanàna 80%, kanefa raikitra ny grevy ny janoary 2009, ary niongana ny martsa 2009. Ny Filoha Rajaonarimampianina (HVM), lany 52% ny desambra 2013, lasa nanana vondrona parlemantera maro an’isa kanefa tsy nisy depiote HVM. Nahazo ben’ny tanàna 80% sy loholona 90%, fa raikitra ny grevy ny aprily 2018, ary zara fa nahazo 8% tamin’ny fifidianana Filoha 2018. Tsotra ny antony, raha vao resaka fifidianana ka hoe ny Filoha lany mihoatra ny 54% dia efa hala-bato na misy mpanao politika efa mpiady eo foana manampy azy,… hoy Atoa Ignace Randriamamizafy. Nandresy tamin’ny fifidianana Filoha, manana depiote, ben’ny tanàna, ary azo antoka fa hahazo loholona maro an’isa ny Filoha Rajoelina izay manova ny endrik’io andrim-panjakana io ankehitriny. Hitovy amin’ireo nizoran’ny teo aloha tokoa ve ny diany ?

 

Misy ny “cycle infernale de crise politique” isaky ny folo taona miseho amin’i Madagasikara, Mali, Mauritanie ,Côte d’Ivoire , Guinée Konakry, izay samy zanan-tany Frantsay. Efa io izy ny any Mali, efa miseho sahady ny ao Côte d'Ivoire sy Guinée Konakry, izay tany amin’ny 2009-2010 no nisy ny krizy politika farany tamin’ireo tany ireo dia io miseho indray isaky ny folo taona, hoy Atoa Ignace Randriamamizafy nampahatsiahy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT