Henjana amin’ny kisehoseho hoenti-manakona ny tsy mety eto amin’ny firenena ny Fitondrana ankehitriny. Takonana amina kizarazara tsy mahavita taona ny tsy fihetezan-javatra, miparapatraka ny fampanantenana, mandeha ny serasera manaka-danitra amin’ny hetsika fitokanan-javatra,…
Toa efa endrika propagandy fanomanana ny 2023 sahady. Ny zavatra nanenjehana ny teo aloha toy ny resaka làlana no ezahina hakana fom-bahoaka, hany ka ny tetikasa sasany efa tokony ho vita folo taona tany aloha izao vao mandeha noho korontana sy famotehana natao teto. Miezaka manome sary fa tena mandeha ny fiainam-pirenena, miadam-pinaritra ny vahoaka,… Ny tena zava-misy ao ambadika anefa mitotongana ny fiainam-bahoaka, potika ny toekarena ary sambany tao anatin’ny 60 taona angamba no nisy harin-karena faobe niiba (-3,2%) raha toa ka niabo 7,1% ny 2009 nandrobana fahefana, ary 5,2% ny taona 2018 niakarana indray teo amin’ny fahefana. Manjaka ny fitantanana tsy mangarahara sy ny kiantranoantrano. Nambaran’ny fampahalalam-baovao Frantsay RFI, fa 716 tapitrisa euros ny fanampiana sy trosa azo tamin’ny covid-19. Ny 9% no nambaran’io fampahalalam-baovao io fa naompana tamin’ny fahasalamana, ny 34% natokana tamin’ny fampanantenana na ny velirano. Tsy fantatra mazava ny nandehanan’ny ambiny (intraçable), hoy ny RFI. Tsy mitompo teny fantatra hoe marina na diso io, fa mampitombo ny ahiahy ny fihetsiky ny mpitondra. Vao nanomboka kely ny covid-19 nisian’ny fanampiana ara-bola, dia nesorina ny tompon’andraikitra ambony momba ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, ary volana maromaro taty aoriana vao nasiana solony. Nilaza hanao tatitra ara-bola isam-bolana ny Fanjakana fa tena nisy ve ? Ny vahoaka sahirana sy tsy tena manana finiavana handinika sy hamakafaka firy, ka toa mahomby ny tapimaso sy paikady politika apetraky ny tompom-pahefana. Mila manokatra ny mason-tsaina amam-panahy ny rehetra, ary tsy tokony hanararaotina ny tsy fahalalan’ny olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.