Tato anatin’ny 20 taona farany, Filoham-pirenena miisa 3 samy mbola velon’aina no nitondra an’i Madagasikara, ary heverina fa mbola hifaninana.
Marina fa samy mandrirotra ho nahavita sy nampandroso, saingy afaka mampitaha amin’ny masontsivana maro ny rehetra. Any amin’ny fari-piainan’ny vahoaka no hitarafana azy sy ahafahana mampitaha. Manao ahoana ny fifehezana ny fisondrotry ny vidim-piainana na ny “inflation”? Ahoana ny tahan’ny fitrosana na “taux d’endettement? Aiza ho aiza ny resaka fampidirana an-tsekoly na ny “taux alphabétisation”? Nanao ahoana ny fisondrotry ny harin-karena na ny PIB? Nanao akory ny tahirim-bola vahiny?,… Tany amin’ny 2002 niakaran’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana isika, dia nia tao anatin’ny krizy lalina nandritra ny 7 volana teo ho eo. Maro ny zavatra potika sy rava tao anatin’izany, nandeha hatramin’ny fahirano an’Antananarivo, toy ny fanapahana tetezana, herinaratra,… fa tafarina tonga hatrany amin’ny fiakaran’ny harin-karena 7,1% i Madagasikara tao anatin’ny 7 taona nitondrany. Tonga ny tetezamita rehefa nanongam-panjakana ny 2009, niainga tao anaty krizy ihany koa, saingy vao mainka nilentika ny firenena tany amin’ny 3,3% ny fitomboan’ny harin-karena. Mbola azo hapetraka mandrak’ankehitriny ny fanontaniana hoe : inona izany no tena antony nandrodanana an-dRavalomanana ? Tena nahasoa ny firenena sa vao mainka namarina an-kady? Matetika ny fitenin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izay avy minisitry ny tetezamina ny hoe : tao anaty lavaky ny krizin’ny fanonganam-panjakana no nosintonina hiakatra ny firenena. 5,2% ny fiakaran’ny harin-karena niala teo izy. Niditra indray ny Filoha Rajoelina, mitotongana any amin’ny -6 sy -7% fiakaran’ny harinkarena, izany hoe : niiba tanteraka. Vao ny desambra 2020 ny banky iraisam-pirenena no nilaza fa niampy 1,4 ny fadiranovana eto. Ny trosa mitombo, fa tsy araka ny vava be tamin’ny propagandy, ny vidim-piainana midangana, ny toekarena mitotongana,… Lojika raha niteny amin’izay Atoa Hery Rajaonarimampianina vao andro vitsy hoe:“…Sarotra ny hanarina ny toekarena raha tsy misy teti-panorona matotra. Izay nafafinao no hojijainao, mila paikady,… Isika tsy miambo fa mba sahy miteny hoe: mba haintsika io”. Raha nohivahivaina ho “Mampiesona” Rajao tamin’ny fampiakarana harin-karena 5% mahery dia inona izany hilazana an’ity -7% ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.