Mandady ny trambo ho an’ny Fanjakana Rajoelina. Miharihary ny fianteherana amin’ny basy amam-tafondro, fa raha fitiavana sy fankatoavan’ny vahoaka dia tena mihena am-pitoeranna tahaka ny fen’antitra.
Diso fanantenana ny ankamaroan’ny vahoaka satria tsy arakaraka ny nampantenaina ny vokatra, eny fa na ireo nanohana an-dRajoelina aza kivy, henatra izany sahy hijoro eny amin’ny fiarahamonina fa mpikambana ao anatin’ny Antokon’ny Fitondrana. Ny ao anaty Fanjakana aza miady, nisy ny efa nisintaka sy fatra-pitsikerana ny Fanjakana Rajoelina. Matoa misy ny fialana anaty sambon’ny governemanta tahaka ny nataon’ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’I Hajo Andrianainarivelo, dia tsy te ho tratra farany. Sahy manitrikitrika io antoko io ankehitriny, fa tany tsy misy demokrasia eto eo anatrehan’ny fanenjehana sy fanagadrana olona izay misy avy amin’ny antokon’izy ireo. Kely ny herijika mbola hahatafaverenenany eo amin’ny toerany amin’ny fifidianana 2023, raha lalao madio izany, ary lojika be kosa ny hahalany azy raha tsy misy ny fametrahana fitsipi-dalao mazava amin’ny fifidianana. Na mialoha na aorian’ny fifidianana anefa, dia ho sarotra aminy ny tantara, ary ahiana hitamberina amin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany ny nataony tamin’ny 2009 sy 2018. Vao miresaka Andry Rajoelina sy ny fanaovana politika, dia ny raharaha 2009 nitarihany fanongam-panjakana no tonga ao an-tsaina, ary nanomboka teo ny fahapotehan’i Madagasikara izay tsy tafarina mandrak’ankehitriny. Tsy tonga amin’izao toerana izao izy raha tsy nisy ny 2009, ary mbola nisy sarisary tahaka izany ihany koa ny fidinana an-dalambe nanonganana ny Fanjakana Rajaonarimampianina taminn’ny 2018. Efa niomana tamin’ny gidragidra handrombahana fahefana i Andry Rajoelina sy ny ekipany, raha zohiana amin’ilay fampidirana fitaovam-piadiana fony izy mbola tsy lany akory. Voalaza ihany koa tetsy an-daniny fa efa niarahaba ny kandida Marc Ravalomanana ireo diplaomaty vahiny tamin’ny lanonana ara-panjakana iray nialohan’ny namoahana ny valim-pifidianana, saingy tsy arakaraka izay ny valim-pifidianana ofisialy. Tsy atao mahagaga araka izany raha tsy nanana fahamarinan-toerana mihitsy hatramin’izao ny Fanjakana Rajoelina, eny fa na efa azy ireo aza ny rafitra rehetra, ny maro an’isa amin’ny andrim-panjakana,…
MIOMANA AMIN’NY HETSI-BAHOAKA
Tsy maintsy hanao izay ho afany hitazona sy hibodo io fahefana io I Andry Rajoelina sy ny ekipany, saingy ny dikan’izay dia hihamafy ny krizy politika eto Madagasikara. Efa tandindon’ny zavatra mety hitranga ireny fidinana an-dalambe sy an-kisambotsambotra tapa-bolana lasa ireny. Mivononana amin’ny mety hisian’ny hetsi-bahoaka ny Fanjakana Rajoelina, tsy tongatonga ho azy ny fiantsoana ny Jeneraly Ravalomanana Richard ho mpanolontsainy manokana. Ity farany izay nanamarika ny fandravana hetsi-pitakiana tamin’ny endriny maro, ary tsy nitsitsy tamin’ny fandarohana lakrimozenina sy fisamborana. Tsaroana tsara ireo nanao akanjo mena miisa 12 nosamborina ny 21 febroary 2021, ny fanagadrana samihafa,… izay tandindon’ny fampitahorana sy fampihorohoroana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.