Politique

Fitondrana Rajoelina Mimenomenona ny olona satria…


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Fa nahoana moa ny olona no mimenomenona? Nahoana no mafy be ny fanakianana ny fitondrana ?

 

 

Tsy tokony hanana toetra miaro tena lava sy manilika ny rihitra any amin’ny hafa ny mpitantana sy mpitarika. Tsy hoe mety na tsy mety ny programan’asa, tsy tena any ny adihevitra aloha fa hoe inona ny olana, ka inona avy izany ireo vahaolana aroso ? Olan’ity fitondrana Rajoelina ity ny fahabetsahan’ny fampanantenana natao nandritra ny propagandy, tena hoe nampanofinofy ny olona. Rehefa nahazo fahefana anefa toa ny teo ihany no miverina. Tsy maharesy lahatra ny olona ireo ekipa misy koa moa ireo manondrana sy voatonona anaty afera hafahafa. Mahatsapa ny olona hoe tsy to teny ny Filoham-pirenena, ary misy fotoana mihitsy aza mijabaka na miteny zavatra tsy ho vita araka ny fampanantenana (puce omby, tsy mila mpamatsy vola mahazatra isika, Tana-Masoandro, karnie misy code QR, digitalisation…). Nanaratsy endrika ny fitondram-panjakana ilay resaka fizarana fanampiana tamin’ity fahamehana ara-pahasalamana ity. Tsy mazava amin’ny olona ny famaritana ny hoe: sahirana..iza no atao hoe sahirana ? F’angaha nisy tsy sahirana tamin’ny fiatoana sy fahaverezan’asa sy ny fihibohana lavareny teo ? Lazaina fa maika ny fampandrosoana isam-paritra ka izay no nanendrena governora, herintaona katroka ny 23 septambra ny andiany voalohany kanefa hatramin’izao misy tsy voatendry. Fa tsy maika izany ny fampandrosoana ireo faritra tsy mbola nahazo governora ? Inona io fampandrosoana resahana io, fanaovana fotodrafitrasa manarapenitra to any sekoly sy kianja, biraom-panjakana sy hopitaly ve ? Sa famoronan’asa, fametrahana fandriampahalemana, fisiana fiahiana ara-pahasalamana zakan’ny rehetra…sa inona ?

 

MANENJIKA MPANOHITRA NO LAHARAM-PAHAMEHANA

 Maro ny mila handanian’ny mpitondra ron-doha mba hikaroham-bahaolana fa tsy dia any amin’ny fanasoketana sy fanenjehana ny mpanohitra na ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena angamba no laharampahamehana. Ny toa adino dia tsy manam-pahefana ary tsy eo amin’ny fitondrana intsony ireny. Efa ny Filoha Rajoelina no hoe lanim-bahoaka sy voafidy ara-dalàna, sa mahatsapa fa tsy mahazo ny fon’ny vahoaka intsony? Tsy misy adala eto akory ka zavatra madeha tsara no handaniana rora hokianina, misy tsy mety matoa maro be ny fanakianana sy fandrosoana soso-kevitra. Nijabaka tanteraka !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT