Misy lanjany goavana ara-politika iny raharaha lisi-pifidianana sy kara-panondrom-pirenena miverin-droa iny. Nifoha daholo ireo hery politika nahatsiaro tena ho lasibatra tamin’ny fifidianana.
Ratsy toerana hatrany ny fanjakana, ary manomboka misy ny fitakiana politika amin’ny endriny maro, toy ny fanafoanana ny fifidianana rehetra. Manomboka hita taratra ny famondronan-kery. Ao anatin’ny vanim-potoana hafahafa tahaka izao, dia mbola misy tompon’andraikitra ara-panjakana toa manao teny fihantsiana. Mahalasa saina ny resaky ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika toa nihantsy ny mpanohitra, fa tsy mahafeno ny “Coliseum” raha mamory vahoaka. Tena nilaina ve ny firesahana tahaka izany amin’izao zava-misy izao ? Tena mbola manam-potoana hitsapana ny herin’ny mpanohitra ve ny fanjakana izay mila mandamin-draharaha ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao ? Ny azo antoka, dia vao mainka mampalemy ny fitondram-panjakana ny zava-misy rehetra. Tsy hisy mpiara-miombon’antoka tena hahatoky ny mpitondra sy ny fahefam-panjakana eto. Ny mpanohitra etsy an-kilany miha mahazo vahana, izay efa mitondra ny raharaha any amin’ny sehatra avo, toy ny SADC, Vondrona Afrikanina, Firenena Mikambana,… Raha ny resaka fomba fitantanana ny firenena, dia tsy afa-po ny vahoaka, ary nihena haingana dia haingana ny taham-panohanan’ny olona ny filoha na ilay antsoina hoe “cote de popularité”. Miha mijotso hatrany io amin’ny ankampobeny ho an’ny olona mitondra firenena, indrindra fa tsy arakaraka ny nampanantenaina ny fandrosoana sitrahan’ny olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.