Politique

Fitondrana Rajoelina Mihalalina ny kiantranoantrano


  • Alakamisy 17 Martsa 2022

Na dia efa niteraka resabe aza nialohan’ny fivoahan’izao governemanta vaovao izao ny endrika kiantranoantrano ao anatin’ity fitondrana Rajoelina ity dia toy ny rano natondraka an-damosin’ny gana ireny.

 Mbola ao ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo sy ny vadiny izay sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, Andry Andriatongarivo. Tsy iverenana intsony angamba ny tranga neverina ho mahamenatra na “scandale” nanamafy izany resabe izany dia ilay resaka fiarahana amina artista sy ilay basy nipoaka teny Ambatobe. Naha lasa ny heritreritry ny mpanara-baovao koa tamin’ireny ny hoe ny vadiny, Rojoniaina Ranaivosoa Andriamaholy, mpikamban’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na HCC dia izy, Dina Andriamaholy, sekretera jeneraly eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Mbola voatendry ho minisitry ny asa sy fampananan’asa ary asam-panjakana indray koa ny sady minisitry ny fitsarana mpisolo toerana farany teo, Gisèle Ranampy, izay vadin’ny filohan’ny vaomiera misahana ny fifidianana amin’izao fotoana izao na CENI, Dama Arsène Andrianarisedo. Miha lalina hatrany ankehitriny ity resaka kiantrano antrano anaty fitondrana ity ary ny omaly ny omaly ihany tao aorian’ny fivoahan’ny lisitr’ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta dia nivoaka koa ny fampahafantaran’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana any am-pitan-dranomasina na RMDM diaspora, Faniry Ernaivo, fa vadin’ny zandriny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Tinoka Roberto, ny minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy vaovao, Vina Orlea. Isan’ny efa nampametra-panontaniana ny maro anefa tetsy an-kilan’izay ny antony tsy hahasahian’ny filoham-pirenena ity minisitra voalaza teo ity, indrindra, taorian’ny “scandale” nataony farany teo tamin’ilay resaka valizy misy kodiarana sy ny tsy hahasahian’ny filoha manala ihany koa ny minisitry ny serasera sy ny praiminisitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT