Politique

Fitondrana Rajoelina Miha tsy marin-toerana hatrany


  • Talata 28 Mey 2019

Nifidy irery tsy naharaham-bady i Andry Rajoelina omaly. Tsy nanao propagandy aho, tsy nanatrika tsy nanotrona kandida, fa ny kandida no nanotrona ahy, hoy izy.

 

 

 Maso mahita sy sofina mandre anefa ny an’ny olona, tsy te hahalala an’izany satria teo anilan-dRajoelina hatrany ireo kandida natolotry ny IRD na ireo kandidam-panjakana. Tsy misy etika politika ary fanohanana sy fampielezan-kevitra an-kolaka no dikan’izany amin’ny maro. Ho hita amin’izao fahavitan’ny fifidianana raha hiazakazakazaka hitety faritra hatrany na ahoana? Ny fantatra aloha dia lasa any Frantsa omaly hariva. Efa nampiahiahy ny fahalaniany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Niha vitsy ireo nifidy

 Izao indray ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy. Mety ho maro ny antony : ny andro ratsy tamina faritra sasany, ilay androm-pifidianan alatsinainy. Nipaka tao an-tsain’ny olona ny hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana Filoha, ka tsy misy fahatokiasana intsony satria halatra efa nibaribary aza nolazaina fa azo raisina fa tsy mitombina ny fitoriana. Fa na ahoana na ahoana ambara dia efa vitsy aloha ny mpifidy. Latsaka noho ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Midika izany fa miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana Rajoelina, ho sahirana izy hanatanteraka ilay vina IEM satria hita izao fa tena tsy miraika, tsy mivaky loha amn’izany ny olona. Te hamaha ny maha mpanongam-panjakana azy tamin’ny alalan’ny fifidianana ka nitady ilay “legitimité” Rajoelina, kanefa tsy mbola mety mahazo izany. Azo antoka fa ho sarotra ny raharaha eny amin’ny antenimieram-pirenena, izay fahefana mpanao lalàna anefa, ny Antenimierandoholona io efa namboamboarina io, saingy mbola ho gidragidra ihany koa ny fanovana. Mbola ho avy koa ny fifidianana ben’ny tanàna ary ady tsy ho mora io ho an’ny MAPAR sy IRD satria mandra-pahatongan’ny datim-pifidianana mety efa hitombo ihany ny adalana ataon’ny mpitondra izay hampitombo ny fahasosoran’ny olona. Tsy maintsy misy akony any amin’ny latsa-bato io.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT