Politique

Fitondrana Rajoelina Miezaka manamarin-tena


  • Talata 29 Septambra 2020

Mandresy lahatra hatrany ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana fa na dia eo aza ny aretina Covid 19 dia mandeha foana ny asa fampandrosoana. Mitohy foana ny fanatanterahana ireo tetikasam-panjakana, na dia misy aza ireo fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin` ny fomba fitantanana asam-panjakana.

 

 

 Na dia eo aza ny tsy fanajàna ny lalàmpanorenana, araka ny fanazavana ataon` ireo mpahay lalàna samihafa, dia tsy manakana ny fitondrana izany. Manohy ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa nampanatenain` ny Filoham-pirenena ny fanjakana na dia eo aza ireo tetikasa tsy mahamaika ho an` ny firenena. Tsara kosa ny manamarika fa ireny fitsidihana faritra ataon` ny filoha Rajoelina ireny manaporofo fa ny ankamaroan` ireo tetikasa dia ny fitondrana teo aloha no namolavola azy ireo ka manatanteraka na manohy sisa ny fitondrana ankehitriny. Asisika eny antsefatsefany eny ny hoe velirano natao dokam-barotra be nandritra ny propagandy, mba hanamarinan-tena sy handresen-dahatra ny olona fa hoe miasa izy fa raha ny tetikasa goavana tahaka ny TanaMasoandro izao dia tsy mety miainga efa ho roa taona latsaka kely aty aoriana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT