Sanatria ny haniry ratsy na loza ho an’ny firenena, fa raha io fomba fiasa sy fijerin’ny
mpitondra Fanjakana io no tsy miova, dia tsy hisy zavatra hantenaina eto amin’ny taona 2021. Milaza ny Filoha Rajoelina fa amin’io 2021 io no hatomboka ny fanovana tanteraka an’I Madagasikara. Kabary miezinezina, fampanantenana mirarakopana, fa ny fomba fiasa tsy miova ka inona fahagagana andrasana amin’izany? Tsy vao izao na tamin’ity taona ity no nampanantena fa efa hatrany amin’ny propagandy, ary raha ny 50% tamin’ireny fotsiny no tanteraka, mety efa paradisa kely ity Madagasikara ity. Noresahina ny “Flyover” hatao amin’ity taona ity, ny fananganana orinasa Gasycar,… Lazaina fa amin’io 2021 io no hanomboka ny fampiasam-bola goavana tsy nisy tao anatin’ny 50 taona, hatomboka ny lalam-be migodana na “autoroute”, kianja manara-penitra,… Mbola vary mangatsiaka ny Tanamasoandro. Raha resaka “autoroute” izany aloha, dia tetikasa efa nodinihina hatramin’ireo fitondrana teo aloha ny fanamboarana azy, ary tsy vao tamin’ity Fanjakana ity no nandrenesana ny hoe tetikasa TATOM, izay efa niaraha-nidinika tamin’ny Japonais tamin’ny alalan’ny JICA na ny Japan International Cooperation Agency tamin’ny taona 2017, efa nijery an’io ihany koa ny teknisianina sinoa tamin’izany fotoana izany, izay midika fa fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Na ireo nampanantenaina aza, tsy tena arakaraka ny nolazaina toy ny RN44, izay tsy izy iray manontolo hatreto, saingy zava-dehibe aloha ny ho fahavitana 30 hatramin’ny 40 km na izany aza. Ny eto Antananarivo sy ny manodidina dia efa ho vita Rocade vaovao mampitohy ny By Pass sy Masay, nataon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina, ny fanitarana ny fiaramanidina eny Ivato,… Zavatra efa teo aloha ireny,… Mampanantena zavatra goavana hatrany ny Fitondrana saingy ahoana ny hoenti-manana? Azo antoka ve fa hitosaka ny famatsiam-bola? 2 taona izay no lasa, mba efa hita taratra ny fifandraisan’ny Fitondra Rajoelina amin’ny mpamatsy vola. Tsy dia misy famatsiana goavana misongadina, fa manodidina ny 100 tapitrisa dolara eo hatrany. Tena afaka manome toky ve izany ny mpitondra fa hisy ny fahagagana amin’io taona ho avy? Hiova ve ny fomba fiasan’ny mpamatsy vola ka resy lahatra be tampoka teo hanatobaka amina miliara dolara? Sa ho ronono an-tavy sy fampanantenana efa ho lava?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.