Samy nanana ny vinany sy heveriny fa fampandrosoana i Andry Rajoelina sy iI Marc Ravalomanana,
saingy ny fiantraikany sy ny fomba enti-manatanteraka azy no azo handrefesana azy ireo. Tena mila mirindra ny zava-drehetra, fa tsy hoe hanao ny atsy dia adino ny aroa, ary izay no isan’ny lesoka ho an’ny Fitondrana ankehitriny. Raha nanao ny Madagasikara am-perinasa (MAP), aza ambara ho nandeha ny zava-drehetra tamin’ny ankapobeny mitaha amin’ny ankehitriny satria nivelatra ny programa, ary azo lazaina ho nifandraika kokoa tamin’ny filan’ny Malagasy. Nazava ny hoenti-manana ara-bola, nirindra ny fifandraisana tamin’ny mpamatsy vola sy ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena. Mila arindra ny paikady sy ny hoenti-manana, ary ny fanatanterahana, fa tsy hoe: manonofy fotsiny, avy eo manamboatra makety, dia hoe handeha ny zava-drehetra. Tsy hoe nanao fotodrafitrasa dia navela ny sosialy sy ny toekarena, fa nivelatra tamin’ny sehatra samihafa ny karazana santionan-javatra na “echantillonnage”, toy ny sekoly manara-penitra, ka ilazana fa tsy nanangana na inona na inona ny mpitondra nifanesy. Tsy hoe nanao làlana izay nolazaina tamin’izany hoe angaha azo hohanina, dia adino ny sehatra hafa, fa nisy tetikasa PSDR nanaovana tan-tsoroka ara-teknika sy ara-bola, ny MCA ho an’ny lafiny fananan-tany,… Natao fitaovana ara-politika ny hoe: “monopole”, 11 taona aty aoriana, firy ary ny orinasa Malagasy tena mivelatra sy miroborobo tahaka ilay nanjehina sy nopotehina? Ho an’ny indostria sy ny famokarana, nivelatra tamin’ny tsenan’ny AGOA niarahana tamin’ny Amerikanina isika. Nosokajian’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) ho firenena filamatra ara-toekarena i Madagasikara. Tsy tongatonga ho azy ny fiakarana harin-karena 7,1%, ary taoriantsika i Rwanda tamin’ny hafainganana tamin’ny fandrosoana. Tsy finiavana hitanisa fahatany ny lasa, fa kosa aleo tsindriana fa tsy vitan’ny fampanofinofisana ny fitantanana ny firenena, fa mila programa mivelatra sy sahaza, paikady mazava, fahaiza-mandrindra ny lafin-javatra rehetra, fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana,… Tsy vitan’ny hoe : ho sangany aty Afrika io kanefa mihemotra rambony satria misavoamboana ny paikady !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.