Nambara tamin’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra omaly 02 desambra fa
niroso tamin’ny fandalinana ny drafitra hitondra ho amin’ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar) ny fahefana mpanatanteraka. Isan’ny nomen-danja ny fametrahana ny tanjona sy vina sy ny teti-bidy mifandraika amin’izany, araka izay voafaritra ao anatin’ny velirano sy ny politika ankapoben’ny Fanjakana ary ireo vina voalaza tao amin’ny IEM, hoy io tatitra io. Nambara fa efa maro ireo tetikasa natomboka araka izay voasoritra ao amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana tafiditra ao anain’io PEM io. Nambara fa fandrosoana azo tsapain-tànana sy azo refesina ao anatin’ny fohy ezaka, antenantenan’ezaka mba ahafahana mametraka zavatra tsara sy mendrika ho an’ny taranaka mifandimby no handritra izany. Hoentina miatrika ireo mpamatsy vola rehetra sy ireo vonona hampiasa ny volany eto Madagasikara ity PEM ity tsy ho ela, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Ho an’ny tamin’ny taon-dasa dia efa nisy ny karazana programa tahaka izao, raha tsy hilaza afatsy ny PGE (Programme Général de l’Etat), saingy niiba aloha izany ny vokany matoa -3,8% ny tahan’ny harin-karena faobe. Hatolotra ny mpiara-miombon’antoka ara-bola indray ny PEM, ka asa izay ho vokany sy fitokisana ho azon’I Madagasikara eo anatrehan’ny tsy fisian’ny mangarahara toy ny fitantanana ny fanampiana tamin’ny covid-19, ny laza ratsy amin’ny kolikoly izay vao tsy ela ny Bianco no nitatitra fa 6000 mahery ny fitoriana ary fanodinana volam-panjakana ny ankamaroany, ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika, tsy fanajana demokrasia,
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.