Politique

Fitondrana Rajoelina Fitaovam-piadiana no tena maha maika azy!


  • Zoma 26 Novambra 2021

Miteraka fanamarihana sy fanakianana sesilany avy amin’ny olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena ny voalaza fa fisian’ny vinan’ny Fanjakana hividy fitaovam-piadiana mitentina 448 miliara ariary amin’ny Indianina.

Maro no mametra-panontaniana hoe : izany ve no maika sy laharam-pahamehana amin’izao? Ekena fa mampiseho ny Fanjakana hoe: nampiana sy nampitomboina ny tetibola ho an’ny lafiny sosialy ka raha 345 miliara Ar ny tetibola teo aloha dia nakarina ho 713 miliara Ar, saingy hafahafa sy mampanahy ihany ny fihazakazahana hividy fitaovam-piadiana izany, ary tena midangana be io. Marina fa tsy mandry fahalemana ny tany, saingy tsy any amin’ny fampitomboana fitaovam-piadiana hanambazana ny tafika angamba ny maika, fa ny famoronan’asa, fanomezana asa ny tanora, fampidinanana ny vidim-piainana, fampitomboana sy fanohanana ny famokarana, fanalalahana sy fanamorana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola,… Mahagaga fa tia mividy sy mampiditra fitaovam-piadiana ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany. Efa ady hevitra goavana tamin’ny andro voalohany nandraisany fahefana ny nampisehoana ireo fitaovam-piadiana tetsy Mahamasina ny 19 janoary 2019. Mbola olon-tsotra tsy nanana fahefana I Andry Rajoelina dia efa nahavita nampiditra fitaovam-piadiana talohan’ny fifidianana 2018, izay midika fa niomana tamin’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny alalan’ny ady, hoy ny fanehoan-kevitra politika maro. Io no voalaza fa isan’ny nampilefitra ny kandida Marc Ravalomanana. Niafara tamin’ny fanadihadiana parlemantera nataon’ireo loholona HVM ity resaka fampidirana fitaovam-piadiana nambaran’izy ireo fa antsokosoko sy tsy ara-dalàna ity, raha toa ka nilaza kosa ny tompon’andraikitra ambony iray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, fa ara-dalàna ny dingana nampidirana azy ireny. Nialohan’ny fifidianana ny nidiran’ny fitaovam-piadiana niteraka resabe tamin’ny 2019, ary ny taona 2022 ihany koa dia ankatoky ny fifidianana. Fifandrifian-javatra ihany ve izany?

AHOANA NY TOHIN’ILAY FIARAMANIDINA CASA?
Tsy voaloa tanteraka ny volan’ny tompony dia nosintoniny, hoy ny gazety Le Monde. "Misy fanovana teknika tsy maintsy atao…. Ny famerenana ny fiaramanidina izay an'ny Malagasy haveriko indray sady tsipihiko fa an'ny Fanjakana Malagasy tanteraka dia mbola misy pitsopitsony ara-teknika: ao ny "maintenance" satria fiaramanidina ngeza be io, ao ny fifanarahana amin'ny fampianarana ny mpanamory Malagasy, ny fandraisana azy ara-teknika,...", hoy ny Minisitry ny fiarovana ny 17 septambra 2021. Aiza ihany? Tsy nisy fe-potoana mazava ny famerenana azy izay toa manaporofo fa fampandriana adrisa no betsaka!?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT