Mila mamerina ny fifampitokisana eo amin` ny vahoaka sy ny fanjakana ny mpitondra.
Tsapa nandritra ny herintaona sy tapan’ny fitondrana Rajoelina fa tena niha marisarisa ny fahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana. Azo hamaritana izany ireo fanehoan-kevitra ataon` ireo mpanao politika na koa ireo olom-pirenena na amin` ny haino aman-jery sy ny tambajotra serasera izany. Tsy mahatoky intsony ny rafitra samihafa ny olom-pirenena ny rafitra samihafa. Maromaro ny zava-mitranga ka manapotika fanjakana. Diso laharampahamena matetika anefa ny fanjakana izay tsy hitondra soa ny firenena. Na inona na inona zavatra ataon` ny mpanohitra dia aleo ny asa atao farany izay vitany. Tsy tokony hafangaro ny asa tsy maintsy atao sy ny politika. Mila mandamina laharampamehana ny fanjakana fa tsy ny mpanohitra na koa ny mpanao gazety tsy akory no fahavalony fa ny fahasahiram-bahoaka. Maro no lalana nandalovan` ny firenena ka maro ny lesona azo tsohanana amin` ny fomba fitantanana hampahomby ny asa atao. Ny firenena no tokony ho jerena fa tsy ireo kajy samihafa. Tena tsara ny mahavita “building”mijoalajoala sy fonja be manaram-penitra saingy tsy maintsy jerena akaiky tena faran’izay maika ny hanatsarana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano.Ny fahantrana no tena fahavalo ka ny ady atao aminy no tena tokony handaniana ron-doha sy fotoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.