Politique

Fitondrana Rajoelina Be vava kanefa misolelaka amin’ny FMI ihany


  • Talata 19 Aprily 2022

Tsarain'ny karatra sy ny tantara Rajoelina sy ny ekipany fa tsy araka ny vava be tamin'ny propagandy.

Novententesina tamin'izany fa ny an'i Marc Ravalomanana dia ny hitrosa sy hindram-bola amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ihany ihany. Nolazaina fa mampahantra izany ary tsy handroso i Madagasikara na ao anatin’ny 30, eny 50 taona aza raha mbola hiantehitra amin'ny mpamatsy vola mahazatra, fa rehefa i Andry Rajoelina no eo isika indray aza no hampindram-bola an'i Kaomoro, hoy ny vavabe nataon’ny kandida laharana faha 13 tamin’izany fotoana. Zatra namatam-bonona tamin'ny tetezamita, nilalao saim-bahoaka tamin'ny hoe: tsy nisy famatsiam-bola aza afaka nitondra sy nampiodina fireneny. Nahatratra 1,8 miliara dolara anefa ny tahirim-bola vahiny tao amin'ny banky foibe tamin'ny fionganan'ny Fanjakana Ravalomanana nahafana nampiodina firenena tsara tamin'izany. Ankehitriny, kofona tanteraka ny Fanjakana Rajoelina raha tsy misy famatsiam-bola. Ny fampiodinana ny raharaham-panjakana aza tena mbola iankinan-doha. Inona no natao teto raha tsy nisy fanampiana avy any ivelany tamin'ny coronavirus ? Io fa mandady amin'ny mpamatsy vola mahazatra satria tapi-dalan-kaleha, tsy manan-tsafidy intsony. Telo taona sy tapany aty aoriana vao mandady amin'ny Banky Iraisam-pirenena (BM), Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) amin'ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l'émergence de Madagascar) raha. Noho ny fahantrana mandifitr'olona vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, nataon'ny Firenena Mikambana sy ny mpamay vola mahazatra ho firenena filamatra na "pays pilote" ho an'ny firenena marefo indrindra i Madagasikara. Tsy voninahitra izany fa fahafaham-baraka satria ny noventesin-dRajoelina 4 taona lasa izay dia ny hoe: Ho sangany aty, hanavotra izao tontolo izao, tsy mila mpamatsy vola,... Midika fa tsy nahomby fa ronono an-tavy nakana vaton'ny mpifidy ireny rehetra ireny, fa tsy nanana politika matotra hitondrana firenena i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa ny naka fahefana no no ambony indrindra. Rehefa tonga teo tsisy hafitsoka. Politika sy programa misavoamboana. Ny tomban'ny harena 17,5 miliara dolara kanefa ny vina sy programa mety lahatra 35 miliara dolara, hany ka makety no betsaka.
TSY MILA WERAWERA
Vao miresaka mpamatsy vola mahazatra : FMI, Banky Iraisam-pirenena,... dia naman'ny mampamangy ny "werawera". Ny resaka toekarena sy sosialy no ifotorana. Mitaky fitantantanana mangarahara na "bonne gouvernance", ady amin'ny kolikoly, fifidianana madio, miralenta,...Na izany aza, sarotra ny hahita fahagagana ato anatin'ny herintaona sy tapany hitondran-dRajoelina. Hangidy aminy ny fifidianana ho avy raha tsaraina amin'ny vokatry ny fitantanany.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT