Politique

Fitondrana Rajoelina Be "scandale" indrindra tato anatin’ny 62 taona


  • Zoma 25 Febroary 2022

Ity Fanjakana ity no fanjakana nisehoana toe-javatra mamohehitra na “scandale” betsaka indrindra tao anatin’ny 62 taona.

Fitondrana maro no nisesy teto, fa mba saika nanana etika sy nanara-pitsipika avokoa tamin’ny ankapobeny na mety samy nanana ny fahadisoany sy ny fahalemeny azy. Tany aloha, toa tsy mba nahenoana mpitondra nanao hadalana firy, tsy nahenoana mpikamban’ny governemanta voatonontonona amina afera goavana na koa voatsikera mafy noho ny fitondran-tena sy fihetsika ao anaty Fanjakana. Ankehitriny, maty hasina sy marefo ny fahefam-panjakana, na ny Filoha aza toa tsy sahy mandray fanapahan-kevitra momba ireo olony mamohehitra, samy manao izay reviny ny manam-pahefana,… Maro ny afera hafahafa, ny raharaha mamofompofona kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, tsy fangaraharahana,… Efa tany alohan’ny fifidianana 2018 no nandeha ny ahiahy fa hoe : nampiditra fitaovam-piadiana antsokosoko. Ny tato ho ato, ireny navoakan’ny Fitsarana momba ny kaonty tamin’ny tatitra andiany voalohany ireny ny fitantanana manjavozavo momba ny vola azo tamin’ny mmpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) niatrehana ny covid-19, izay nisy lelavola 444,10 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar, izay maro ny tsy fangaraharana sy ny ahiahina kolikoly. Toa manamarina ny ampamoaka nataon-dRamasomanana Ravo Nambinina mpiasa nisahana ny tsenam-panjakana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana ny aprily 2021, fa 730 tapitrisa no lany nandokoana hopitaly manarapenitra miisa 7; vola 980 tapitrisa Ar no nanaganana "centre de transplantation rénale" ao amin'ny CHU Andohatapenaka ka dosie hosoka no nampiasana; volan'ny ministeran'ny fahasalamana mitetina 44 miliara Ariary no nalaina ary tsy naverina manontolo ny taona 2020,… Ny nanao ny ampamoaka no voahejika sy nohelohina handoa honitra. Herintaona no lasa fa moa nisy fanadihadiana Bianco, PAC (Pôle Anti-Corruption) sy ny tariny? Ny raharaha “bonbons sucettes” 8 miliara Ar, ny “écran plat” 216 tapitrisa Ar nangina, ary ahiana ho tahaka izany ny dosie nampiala minisitra iray sy mbola mahavoatonona minisitra sy depiote maromaro,… Any am-ponja ry Berija Ravelomanantsoa noho ny fanehoan-kevitra tsy dia mankaiza tamin’ny Facebook, nogadraina amboletra ry Rolly Mercia,… Ny olona noahiahiana ho nanao kolikoly goavana nomena pasipaoro diplaomatika niasa tany ivelany, ary rehefa nilamindamina ny raharaha vao niverina moramora teto.
FITONDRAN-TENA MAMOHEHITRA
Tsy omby ny pejy raha hitanisa ireo fihetsika amam-pitondran-tena manaratsy endrika ny fitondrana. Ny vava be nilazana olona ho « imbéciles », ny « izahay izao no mitondra », Depiote milako ben’ny tanàna, depiote manompa sy mandrahona mpampianatra, vadina minisitra mitazona basy tsy ara-dalàna, minisitra sy minisitra lefitra mifanala baraka,… Taiza tao anatin’ny 62 taona ihany koa no mbola nisian’izany hoe : niparitaka ny horonam-peon’ny minisitra miteny ratsy variraraka sy mivoy resaka mamoafady ara-pirazanana hoe : « izaho andriana fa ialahy andevo » ? Tsy misy fialan-tsiny ireny, fa vitavita ho azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT