Politique

Fitondrana Rajoelina Ataon’ny depiote takalon’aina…


  • Talata 01 Desambra 2020

Ahiana na azo ambara mihitsy fa efa tratry ny endrika takalon’ain’ny

 

 

 

solombavambahoaka ny fahefana mpanatanteraka tarihin’ny Filoha sy ny Praiminisitra. Ny 10 novambra no nafana ilay fanairana nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa, fa banga 7 miliara ny tetibolan’izy ireo izay tokony ho 59 miliara, kanefa lasa 52 miliara, nilaza fa kere ny depiote. Nandeha ny feo fa hoe niomana hanao fitsipaham-pitokisana ny Minisitry ny toekarena sy ny vola depiote. Nikorapaka ny Fanjakana, ka ny 11 novambra, dia nankatoavina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamoaka ny volan’izy ireo. Tratry ny tsindrin’i Tsimbazaza izany fahefana mpanatanteraka ary matahotra mafy an’ireo, raha toa ka nidingin-drambo kosa tsy nanome ny tetibola hiasan’ny antenimierandoholona. Mbola azo ambara ho tratry ny takalon’aina hatreto, ary mety efa hitan’i Tsimbazaza ny fahalemeny.

MBOLA MISY VARY MANGATSIAKA

Mbola misy ny fitakiana toa vary mangatsiaka, raha hiverenana ny kabarin-Rtoa Christine Razanamahasoa ny 03 septambra, lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana, izay niantefa taminny Filoha nsy Praiminisitra. “Atsipy ny teny fa mbola tsy nivadi-belirano mihitsy ny solombavambahoaka maro an’isa. Mbola vonona hatrany hiasa… Ny fitia mivaly fitia, ary ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana, ka tsarovy ihany ireny teny sy fampanantenana nifanaovana ireny,… Maro ny resaka nifanaovana ary tsarovy ny fitaovana hoentin’ny solombavambahoaka manatontosa ny asany any amin’ny faritra na distrika nahalany azy ireny”, hoy izy tamin’izany. Io resaka farany io no isan’ny nitarika adihevitra satria heverina fa mitaky fiara tsy mahato-dàlana na “4x4” ny depiote mpanohana fitondrana ho tambin’ny ambara fa asa nilan’ny Fanjakana azy. Novantanin’ny Depiote Jao Jean ihany koa tato aoriana ny tokony hanomezana fiara ny Depiote, tokony hojerena manokana rehefa misotro ronono mba tsy ho lasa “4 mi”, hoy izy. Lasa tolo-dalàna io resaka fisotroan-dronono io tato aoriana, ka asa izay hiafarany. Mbola vary mangatsiaka sy mety ahafahan’ny depiote manao tsindry ireny, indrindra taorian’ny fandaniana ny LFI 2021.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT