Tsy mbola voafaritra mazava aloha ny fotoana hampahafantarana ny PEM (Programme pour l’Emergence de Madagascar),
izay tokony ho natao tamin’ny 19 janoary lasa teo, nifanandrify tamin’ny 2 taona nitantanan’i Andry Rajoelina ny firenena. Nambara fa mbola hisy ny fifampidinihana amin’ny mpamatsy mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Sahirana tanteraka amin’ny lafiny rehetra ny Fitondrana Rajoelina amin’izao fotoanan izao. Na ato anatiny, na amin’ny lafiny ara-diplaomatika dia sahirana tanteraka ny Fitondrana. Any amin’ny serasera sy fihetsiketsehana sisa no amboamboarina, fa raha ny tena zava-misy ao anatiny, dia efa tena mangotrangotraka ny raharaha. Ratsy endrika tanteraka ny Fitondrana, ary isan’ny nanamafy izany ilay raharaha trafikam-bolamena, izay tsy mijanona intsony amin’ny resaka 73,5 kg fa miitatra any amin’ny fandalinana mombana tambajotrana mafia aty Afrika, ny fisiana famatsiana ny asa fampihorohoroana,… Manomboka mitombo ny olona voatonontononona: mpitondra ambony, fianankavian’ny manampahefana ambony, mpitondra am-perinasa,… Hafa ny eto amin’ny firenena hoe: vitavita ho azy toy ny “bonbons sucettes”, “écrans plats”,… ka ahafahana mandrefy ny tanjaka ara-diplaomatikan’ny mpitondra io resaka volamena atsy Afrika Atsimo io, izay tsy misy vokany hatreto. Tsy tena manana porofon-kevitra mazava sy mafonja ny Fitondram-panjakana ankehitriny eo anatrehan’ny ahiahy sy ampamoaka maro, fa dia miezaka ny mandiso sy manasokajy azy ireny ho fanasoketana sy fanakorontanana. Mitamberina ny zava-nisy tany amin’ny tetezamita, ary isan’ny nilaza ny Minisitra iray tamin’izany omaly, fa ny tompon’ny fahefana faratampony no nandà ny lalàna hifehezana ny trafika. Sarotra ho an’ny Fitondram-panjakana ny haharesy lahatra sy hahazo fitokisana iraisam-pirenena ao anatin’ny zava-misy. Ary na ny eto an-toerana ihany koa aza dia manomboka mahatsapa ny besinimaro fa mikatso ilay nambara fa TGV haingam-pandeha.Tena manaratsy endrika ny fitondram-panjakana ny aferafera etsy sy eroa , eny fa na dia miezaka mafy manadio tena sy manilika ny rihitra any amin’ny hafa aza ireo mpomba izao fitondrana izao dia tsy mahafafa velively ireo tranga hafahafa misy.Roa taona izay no lasa dia io manomboka miseho masoandro io daholo ny karazan-javatra mampiahiahy ka mampihena ny fitokisana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.