Nanamarika ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, fa
miasa sy manao zavatra. Ezahina asongadina hatrany ny resaka fananganana fotodrafitrasa : fametrahana vato fototra, fijerena ny fivoaran’ny asa, fitokanana,… Tao anatin’ny krizy ara-tsosialy sy toekarena nanomboka nivaivay aza, dia dia fananganana fotodrafitrasa no navoitra tao anatin’ny « Plan Marshall » mitentina 1043 miliara ariary nambara tao anatin’ny kabary ny 14 jona 2020. Tsy hoe ratsy ny fananganana fotodrafitrasa, fa kosa hoe adino ny zava-drehetra, tsy nisy vahaolana mafonja ny sosialy, adino tanteraka ny toekarena,… Raha tsy nisy marina moa izany resaka fanorenana fotodrafitrasa dia inona no asa mivaingana vita ? Ny tsikaritra, dia niezaka nametraka tandindona hahatsiarovana azy ny Fanjakana Rajoelina fa izay tena olana sy fahatram-bahoaka tsy olana sy azo ampandeferina. Ohatra mivaingana ny hoe : mahita 77 tapitrisa dolara ao amina volam-panjakana hanaovana kianja, fa miandry mpamatsy vola ho an’ny 60 tapitrisa dolara hiatrehana ny kere. Azo ampiasaina kokoa any anaty propagandy avy eo ny fisiana fotodrafitrasa mipetraka amina faritra iray noho ny fari-piainany sy ny asa fivelomany mivoatra sy mihatsara kokoa. Tsy dia mahamenatra ny mpitondra raha milaza ny Banky Iraisam-pirenena fa niakatra 77, 4% ny taham-pahantran’ny Malagasy, taha ambony indrindra hatramin’ny taona 2012, ary mitovy amin’ny hamafin’ny krizy politika novoleny ny 2009. Niampy 1, 4 tapitrisa ireo Malagasy fadiranovana miaina amin’ny 1, 9 Dôlara na manodidina ny 7 000 Ariary isan’andro. Very fidiram-bola ny 64% tamin’ny Malagasy nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2020. Mena ny tondro no dikan’izany. Tena tsy misy horesahina izany raha tsy nisy ireo fotodrafitrasa natsangana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.