Politique

Fitondrana miha malemy Hosihosen’ny olona ny fahefam-panjakana


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Sesilany ireo tranga maneho fa tsy voafehy intsony ny Fanjakana. Tototry ny olana ny Fanjakana. Ny oniversite migrevy noho ny resaka ara-bola sy lalàna,

ny volan’ny mpandrahara tamin’ny resaka làlana amina miliara maro ny vola tsy voaloa,... Ny olana ara-tsosialy mirongatra, ny fahefam-panjakana efa manomboa refesin’ny olona. Tsy fahita firy izany hoe: mpitandro ny filaminana nosamborin’ny vahoaka izany, saingy iny niseho tany Taolagnaro iny. Zava-doza izany hoe: mpitandro filaminana ataon’ny vahoaka takalon’aina. Ny trangana fitsaram-bahoaka tany Toliara II, olona efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana no navoakan’ny olona dia nodarohany sy nodorany. Mitovitovy amin’izany ny tany Betafo hoe: olona ahiana no nanao ratsy nalain’ny lasibatra tany an-tranony mba hoentina any amin’ny mpitandro ny filaminana, saingy voalaza navadiky ny havan’ny ankilany ho fakana an-keriny ka dia ilay iray indray no matin’ny fitsaram-bahoaka. Endrika maneho ny faharefoan’ny fahefam-panjakana ireny rehetra ireny. Ny ara-tsosialy moa grevy etsy grevry eroa, tahaka io olan’ny anjerimanontolo tsy mbola tena milamina tanteraka io. Ny toekarena ambony ambany, tsy manana antoka sy fitoniana ny mpampiasa vola goavana,… Ny vidin’entana tsy voafehy, ary vao mainka mety hiha hahery vaika. Tena mihasarotra ny toe-draharaha, ary iny efa nampiomana iny ny Filoham-pirenena taorian’ny diany tany ivelany, fa mila miomana amin’ny ho fiakaran’ny vidin-tsolika izay tsy azo hihodivirana. Ny karaman’ny mpiasam-panjakana no nasondrotra 5% hatramin’ny 25%. Nandeha ny resaka amin’ny fampiakarana ny an’ny tsy miankina, saingy betsaka ny orinasa mialangalana na eo aza ilay hoe: tsy mandoa ny “charge patronale” any amin’ny CNaPS manodidina ny 34000Ar ny Fanjakana fa ny Fanjakana no hanonitra azy. Maro no miahiahy hoe: sao dia ho loza mitatao amin’ny fisotroan-dronono satria raha ny làlan-tsaina nentin’ity Fanjakana ity dia izy no mpandoatra vola ao fa tsy mpandrotsaka. Ny ankamaroan’ny orinasa sy ny fihariana eto ihany koa dia tsy ao anatin’ny sehatra ara-dalàna ankoatra ny eny ambanivohitra manampy azy ireo. Ny fifehezana ny vidim-piainana tsy tena tafapetraka, tsy voafehy ny vidiny farany ambony napetraka. Ny vidin-tsolika mananontanona ny fiakarany, ny vidim-piainana miakatra hatrany,… Aiza no niafaran’ny SPM (State Procurement of Madagascar) izay naorina ny novambra 2019 nambara fa hanafaran’ny Fanjakana ireo entana ilay andavanandro sy ny solika mba hialana amin’ny antanan-tohatra sy ny fanararaotana samihafa? Marefo sy malemy tanteraka ny Fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy ka toa manaraka ny onjany sisa! Tsy mahazaka fitondrana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT